Edito

Migebona…


  • Alarobia 21 Oktobra 2020

Folo volana latsaka herinandro izay no nitsanganan’ny Governemanta faharoan’ny Praiminisitra Ntsay Christian izay narafitra manokana ho taratry ny fisokafana sy ny fahaiza-manaon’ny zanaka Malagasy rehetra tsy ankanavaka, na ny eto an-toerana na ny avy any ivelany,

 

 hoy ny mpitondra tamin’izany. Ny aogositra teo no nisy ny fanovana minisitra iray sy fampidirana minisitra vitsivitsy. Napetraka hatrany ny fepetra hisian’ny fifanarahan’andraikitra sy ny tomban’ezaka isaky ny enim-bolana ny volana janoary. Somary nosembanin’ny valanaretina coronavirus, saingy tsy tokony ho sakana tamin’ny asan’ny governemanta izany. Mpitondra efa niomana efatra taona, tsy mila fanampiana avy any ivelany satria trosa mampahantra firenena ka isika aza hampindrana an’I Kaomoro,… no nampantena fandrosoana tsy vitan’ny teo aloha 60 taona hatao 5 taona. Aiza no hahavitanao ao anatin’ny 5 taona ny zavatra simba tao anatin’ny 10 taona mahery? Hoy ny Praiminisitra teo aloha, izay isan’ireo Malagasy sokajiana ho farantampony amin’ny fahalalana. Mby aiza anefa ny vokatra ankehitriny? Nanao ahoana, ohatra, ny tetikasa Tanà-masoandro, izay isan’ny tandindon’ny fitondrana ankehitriny ? Tsy tokony hisy hidiran’ny valanaretina coronavirus velively. Ny volana jolay 2019 no efa nilazana fa mpamatsy vola 21 no efa vonona. Marina fa misy ny fanoherana teny Ambohitrimanjaka, fa raha tena misy ny hoenti-manana efa nandeha ny tetikasa satria nambara fa mety hafindra toeran-kafa. Ilay tetezana mitsingevana etsy Ampasika sy Anosizato aza, toa nangina sa miandry akaiky 2023 ? “Migebona” araka ny fiten’ny tanora, ka famatsiam-bola sy fifanarahana tamina fanjakana teo aloha no toa lasa mivadika ho velirano, toy ny fanamboarana ny lalàm-pirenena faha-13, fa ny tena nampanantenaina mikatso. 10 volana izay ny governemanta teknisianina ka tena namokatra ve? Tena nahavaha olana ve? Ahoana sy rahoviana ny hamoahana ny tombana sa vao hanomboka hisa satria isika izao vao niala tamin’ny fihibohana? Dia ahoana izany ilay oha-pitenenentsika hoe: ny akoho tsy naneno ohatr’izay efa lanin’ny kary? Sao dia mba efa fampiesonana manara-penitra no betsaka ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT