Edito

Mifoka inona loatra ?


  • Talata 22 Martsa 2022

Ny tànana efa zatra mitsotra tsy afaka mivokona intsony, ary sarotra tokoa ny hanova olona iray amin’ny toetra amam-pihetsika mahazatra azy.

 Mitohy ny politikan’ny seho ivelany, hany ka toy ny tsy misy olana sy fahasahiranana mihitsy eto amin’ny tany sy ny Fanjakana rehefa mivoaka ny faritra ny Filoham-pirenena sy ny ekipany. Mampirevy vahoaka amin’ny hafaliana mandalo hanalana hamohamoha fa mampiaina ny Malagasy ao anatin’ny fahantrana mandavan-taona. Voriana sy ampitsinjahana amin’ny artista malaza ny olona, dia lazaina avy eo fa mahazaka vahoaka. Ampanantenaina an’izao rehetra izao, hany ka na zavatra niainga tamin’izay revorevon’ny mpitondra teo aza dia lazaina fa fangatahan’ny vahoaka. “Gymnase” na kianja mitafo no nampanantenaina tany Analanjirofo rehefa avy nitokana kianja. Tena izany ve no maika sy laharam-pahamehana ho an’ny vahoaka amin’izao vanim-potoana mafy sy mangidy izao? Ny vidim-piainana miha midangana andro aman’alina. Aiza ve ka lafarinina novidiana 2600Ar ny kilao efa tonga 4000Ar! Moa mba misy mpitondra na manam-pahefana miteny sy maneho hevitra momba izany. Ireo antsoina hoe: solombavambahoaka lasa solombavam-panjakana, ary tanteraka ny tenin’ny lehibeny fa manao voamason’omby maty, mijery ihany fa tsy mahita. Saika misitri-belona ny ankamaroany, ary ireo maro an’isa toa mpanangan-tànana no asany. Olana tsy tambo isaina ireo, saingy na iray aza toa tsy misy mahita sy mangina: grevy etsy, fitakiana eroa,… ny vidin-javatra midangana, ary tsy hidina fa hiha hidangana. Ny krizy iraisam-pirenena efa miharihary ny fiantraikany, fa ny politikam-pirenena sy ny zavatra ataon’ny Filoham-pirenena mbola mandeha mampalaza tena etsy sy eroa. Tsy andro fampanantenana sy fanaovana “spectacle” intsony izao, fa andron’ny asa sy vahaolana maharitra sy miantraika amin’ny Malagasy, kanefa asa loatra hoe: inona no hohaniny na fohan’ny mpitondra fa toa zavatra hafa mihitsy no miseho eto, saingy hafa tanteraka fa tsy mifandraika amin’ny olana sy fahasahiranan’ny Malagasy ny vahaolana hitany matoa zavatra hafa mihitsy no ataony? Tena any amin’ny tsy mivonto no manaintaina!
Toky R 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT