Edito

Mifanome bala hifampitifirana ?


  • Alakamisy 04 Martsa 2021

Mihenjan-droa hatrany ny tady, ary samy manana ny heveriny fa rariny arakaraka ny toerana misy azy avy ny mpitondra sy ny mpanohitra.

 

 

Mbola hitana ny sain’ny maro ato anatin’ny 72 ora ny resaka famoriam-bahoaka. Ny ankilany manitrikitrika fa ara-drariny sy araka ny lalàna ny azy ireo, ny andaniny mitompo teny fantatra fa efa fanonganam-panjakana io. Inona no hiafarany ? Hanao ahoana ny tohiny? Lasa tafiditra anaty resaka hatramin’ny sehatra tsy miankina. Mandeha ny omeko tsy omeko, ka dia mifampizirizy amin’ny heviny eo. Raha toa ka misy midilatra, dia hiampy ny bala hahafahan’ny mpitondra mitifitra ny mpanohitra, raha hiditra eny amin’ity toerana tsy miankina ity, izay mety hanana sokajy ara-stratejika noho ireo zavatra manodidina azy. Mampiharihary ihany koa anefa ny zava-misy, fa tsy mahazaka fanoherana sy demokrasia ny mpitondra ankehitriny. Mpanao tari-bato vilam-bava ka rehefa izy ireo no misioka dia voromanga fa rehefa ny hafa dia vorondolo. Tsy mba menatra ve hoe: kianja notokananao, nataonao batemy ho kianjan’ny demokrasia izao, ivo iray nentinao nandrombahana fahefana,… dia hakatonao sy ambenana amina basy amin-tafondro rehefa tonga eo amin’ny fahefana. Sanatria toa fanompana ilay Raiamandreny Rain’ny demokrasia ny fampidirana ny sarivongany ao an-kianja, kanefa tsy azo hidirana sy hampiasaina amina fanehoan-kevitra. Raha tena miasa araka ny filan’ny vahoaka sy mahafa-po ny maro ny fitondrana tsy hisy olona ho voasariky ny fanoherana, fa matoa matahotra dia ao raha. Sao dia ny fomba fiasa no hovaina fa tsy ny fomba fiady? Asa mandra-pahoviana no hahomby ity fandragarangana basy aman-tafondro lava ity ?

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT