Nifandray tanana ny mpifanandrina teny Ambohimamory, ho mariky ny fifamelana ary dia nivalona hatreo ny lonilony sy ny disadisa teo amin’ny tanoran’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara eny an-toerana sy ny zandary.
Nirefotra kosa ny basy ary nandriaka ny ra tao Antsiranana. Tsy nitsitsy fa dia nampiasa ny fitaovam-piadiana teny am-pelatanany ireo polisy nandrava ny hetsiky ny mpianatra nitaky ny vatsim-pianarany. Tanora vao herotrerony no lavo. Ny loza, raha hanatitra ny razana any amin’ny toby fiantsonan’ny fiarakodia indray ny mpianatra dia norarafan’ny Polisy ny tifitra tamin’ny bala tena izy. Maro no naratra. Nihoron-koditra Antsiranana iray vohitra teo anatrehan’izany. Mitranga izany rehetra izany mandritra ny dinika atao any Pretoria, handaminana ny krizy eto Madagasikara. Endri-javatra mifanipaka ihany izany. Ahiana hitsefotra noho izany ity fihaonana atsy Afrika Atsimo ity satria toa tsy miady tsy miady nefa ny kibay an-kelika ihany.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.