Ora sisa isaina dia ho tapitra ny fe-potoana hahafaha-mandrotsaka ny antontan-taratasin’ireo kandida ho depiote.
Manomboka hita taratra ny sasany, fa na izany aza toa mbola vitsivitsy ihany. Inoana anefa fa betsaka no hihazakazaka hanatitra ny antontan-taratasiny ato anatin’ny fotoana fohy satria hatreto aloha, dia tsy mbola misy ny didim-panjakana milaza fa hahemotra herinandro izy io, na izany aza no resaka mandeha. Tena hiadiana mafy ny hahazo ny seza etsy Tsimbazaza, ka tsy hanao ambanin-javatra izany ny rehetra. Samy manana ny kajiny ny antoko politika ankoatra ireo milatsaka amin’ny anaran’ny tenany manokana. Izay fomba handresena dia toa mety avokoa na olona tahaka ny ahoana na ahoana harotsaka eo. Rehefa mety ho malaza na inona na inona fari-pahalalany sy fahaizany. Asa na mba misy fanadihadiana ara-moraly sy ara-pahalalana ihany, fa toa mitady ho lasa vaky balina, araka ny fomba fiteny izy ity. Zon’ny olom-pirenena tsirairay mahafeno fepetra no mirotsaka, ka dia izay no arahina sy ekena e! Na izany na tsy izany sao dia efa mba famotehana an-kolaka ny firenena ihany no ambadik’izao ka sanatria izao bodo sy adala rehetra manana 5 tapitrisa ariary izao dia holazaina fa afaka hitondra ny tenin’ny vahoaka. Ny olom-pirenena tsirairay no mila mandinika sy mijery tsara izay afaka tena hiady ho azy. Tena hifandrombahana tanteraka mantsy izy io, ka ny efa teo toa mbola tamana sy te hifikitra mafy. Ny mbola tsy eo dia hanao izay fomba rehetra hahafahana mahazo io fahefana io. Ny irariana dia mba tena ho olona afaka ny hitondra ny tenin’ny vahoaka, hiady ho an’ny fampandrosoana, hametraka lalàna tena mahasoa ny firenena,… no ho tonga eo, fa tsy olona mpanara-davahana sy miandry tambiny malety amin’ny alalan’ny fananganan-tànana sy mpidoka governemanta, efa hita izao fa tsy misy hafitsoka! Mba ho solombavambahoaka hiady ho an’ny isam-batan’olona tokoa anie fa tsy ho solombavambahoaka hisolotena ny rehetra amin’ny fanangonan-karena tokony hositrahan’ny besinimaro. Etsy andaniny, dia misy ny volabe mety natao ho arofanina sy fanivanana kanefa betsaka ihany no manana, indrindra fa ny mahitahita sy ny mpanao afera. Sao ho lasa antenimieran-jiolahy ihany koa sanatria ka ho lasa lapan’ny bizina sy ho fialokalofan’ny tsimatimanota?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.