Edito

Mifandrirotra mafy


  • Zoma 27 Janoary 2012

Araka ny efa nanampoizana azy dia samy manana ny fandraisany sy ny fandikany ilay fehin-kevitry ny fivoriana notarihan’ny Troika-SADC tatsy Pretoria farany teo ny tsirairay avy.

 Tsy dia mampifanolana loatra ny amin’ny hoe fandaniana sy fampiharana ny famotsoran-keloka faobe, fa ilay fodian’i Marc Ravalomanana mihitsy no miteraka adihevitra mangotraka eo amin’ny andaniny sy ny ankilany. Ireo zanak’i Dada dia efa miomana sahady indray satria, ato anatin’ny iray volana izany dia ho avy eto Atoa Ravalomanana ary tsy azo samborina. Atoa Andry Rajoelina sy ny ekipany ary ireo mpomba azy dia tsy te hahalala fa dia tsy misy Ravalomanana miditra eto izany, ary na tonga eto aza izy tonga dia samborina. Ny praiminisitra Omer Beriziky indray dia manao firesaka diplaomaty, ka miezaka ny mijoro ho elanelam-panahy, manafosafo ny ankilany no sady manambitamby ny andaniny.

Zava-dehibe ny fifampiresahana sy ny fifamelana hoy izy, ary tsy maintsy tanterahana ny andininy faha-20 fa atao ao anatin’ny fitoniana kosa izany fa tsy azo hihazakazahana. Hifarana ity ny volana janoary, azo antoka aloha fa amin’ny volana Febroary indray vao hitodi-doha ho aty Madagasikara ingahy Ravalomanana. Samy miandry ny daty hiaviany ny rehetra. Dia tena tsy hisy NOTAM hivoaka tampoka intsony tokoa ve ? Hanao ahoana indray ny ho fihetsiky ny mpitandro ny filaminana ? Hanaiky marina an’ilay hoe : tsy samborina i Marc Ravalomanana ve sa hisy hanivaka ? Ary raha tsy manaiky ny tapaka tany Pretoria koa ny mpitondra sasany dia ahoana ny ho tohiny ? Inona no hataon’ny SADC ? Hanao ahoana ihany koa Atoa Ravalomanana izay efa tsindrin-daona be ihany, ho avy eto an-tanindrazana ?

Moa va vonona marina handray ny risika rehetra izy, sa hiandry hatramin’ny farany ny faneken’ny rehetra ny fiverenany ? Mazava anefa ny resaka eto fa tsy maintsy misy ny tsy faly sy tsy hanaiky izany mihitsy. Ao anatin’izany rehetra izany dia mikatso ny raharaham-pirenena, mihisatra ny fanomanana sy fikarakarana ny fifidianana, tsy hita manangasanga ny fananganana ny CENI vaovao ary miverina indray ny fifandroritan-kevitra eo ami’ny samy ankolafy politika. Hita ho mbola marefo ny fiaraha-mitantana ao anatin’ny tetezamita. Fehiny dia miha sarotra ny toe-draharaha ary miverin-dalana foana isaky ny mihetsika, satria matahotra mafy an’ilay iraika lahy teo aloha ny sasany ka mandany ron-doha hanakana ny fiverenany.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT