Edito

Mifandray tendro …


  • Alatsinainy 14 Novambra 2016

Fomban’ny mpitondra ankehitriny ny mifampiaro amin’ny tsy mety ataony.


 Tsy mba misy eto amintsika mihitsy ny kolontsain’ny famokarana fa ny fiarovana ny mpitondra sy ny tompon’andraikitra tsy mamokatra sy tsy mahefa ny asany ary manao fahadisoana mihitsy no kolontsaina napetraka. Niaraha-nahita sy naheno ny fandikan-dalàna nataon’ny tafika tamin’ny fananiham-bohitra teny Analakely ny herinandro lasa teo saingy tsy mbola nisy ny didy fanalana na fanasaziana ny tompon’andraikitra ambony tsy mahafehy ny asany. Kiantranoantrano no manjaka ka zary filibana sy fangoronan-karena ny fananana toerana ambony. Manao volo ngita mifandray tendro ny samy mpitondra ka mifampiaro sy mifanavotra hatrany ka mamotika ny firenena. Ny sehatra rehetra dia toy izany avokoa. Ny minisitera iray dia lasa minisiteram-pianakaviana ka samy manao izay danin’ny kibony ny mpianakavy. Ny orinasam-panjakana lasa fanaovan’ny mpitondra bizina ka mitotongana sy banky ropitra. Tsy any amin’ny harem-pirenena irery ihany no anjakan’ilay teny hoe atao tantely afa-drakotra fa ny zava-drehetra, hany ka mitambatra ho hery lehibe mamotika ny fiainam-pirenena ny firaisan-tsaina sy firaisankinan’ny mpitondra hanjakazaka fa tsy mba hifaninana amin’ny tsara ka hametraka ny kolontsain’ny famokarana. Rahoviana ihany vao mba hiova e ?

Toky R.  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT