Edito

Mifampihaino aza tsy vita


  • Talata 13 Septambra 2022

Asa na hanao ahoana aloha ny amin'ny volana ambony sy manaraka rehetra fa dia ny mifampihaino aza tsy vita aloha izany hatramin'izao ho an'ny mpitondra sy ny ivelan'ny fitondrana rehetra.

Sesilany ny fitakiana fikaonandoham-pirenena satria tena miha maro ireo sorena amin'ny tsy fandriampahalemana, delestazy, vidim-piainana midangana, tsy fahafaha-mampiana-janaka intsony sy ny lafiny mahaolona miha tsy tomombana isan'andro. Tsy miova ny fomba fanao politikan'ny fitondrana mijoro fa toa toy ny tamin'ny tetezamita notarihiny farany teo ihany! Natsangana ny hopitaly manara-penitra fa andaingo ireo mpitsabo handray tsy salama tao sy ny fitaovana niasa tao. Nisy sasany aza moa nirodana am-pitoerana teo ny rafitra efa nitsangana. Natao koa ny toeram-pilanonana nidadasika saingy savolaina ny artista nameno azy. Faly ery ankehitriny ny fitondrana mitanisa. EPP, CEG, Lisea, Oniversite "manara-penitra atsy sy aroa. Hianaran'ireo mpianatra manana ray aman-dreny miha tsy mahazaka ny sarany miakatra isan-taona ve? Hampianaran'ireo mpampianatra miha mikarama varimasaka mitombo no sady tsy mahazo hatrany ilay karama efa kely ara-potoana ve? Mifampihaino tokoa aza moa tsy vita tao anatin'izay 13 taona izay ka maika moa fa ny hanakatra izany rehetra izany ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT