Edito

Mifampiaro amin’ny ratsy


  • Alakamisy 26 Jolay 2012

Mbola miteraka adihevitra be etsy sy eroa ny fihetsik’ireo polisin’ny GIR teny amin’ny fitsarana Anosy ny talata teo.

 Raha hiverenana kely moa ilay tranga dia namoaka didy ny fitsarana fa hoe ampidirina am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy ireo polisy avy ao amin’ny GIR efatra mirahalahy voarohirohy tamin’ny fitifirana ilay mpandraharaha teny Ankasina tamin’ny volana mey 2012 teo. Tsy nanaiky io didy io ireo polisy naman’izy ireo ary dia namahana basy mihitsy ho fampitandremana, avy eo dia nentin’izy ireo niaraka taminy izy efatra mirahalahy fa tsy navelan’izy ireo hoentina eny Tsiafahy. Heverina fa misy antony mazava matoa namoaka izay didy izay ny fitsarana, tsy midika koa izany fa meloka avy hatrany ireo polisy ireo fa mbola mitohy ny fanadihadiana ary tsy maintsy mbola hisy ny fitsarana.

Mahazo mangataka fahafahana vonjimaika amin’ny alalan’ny mpisolovava azy ireo ihany koa, ireto polisy ireto. Nahagaga ary tena nanaitra ny maro izao fihetsiky ny polisin’ny GIR izao, ary nampatsiahy indray ilay tranga tany Toliara. Polisy nampidirina am-ponja noho ny firaisany tsikombakomba tamin’ny jiolahy koa mantsy no nahatezitra ireo polisy hafa, tany Toliara ka nahatonga azy ireo nikasi-tanana ilay mpitsara Rehavana Michel ka namono nahafaty azy mihitsy. Olon’ny lalàna ary natao hampanaja ny lalàna ny polisy, kanefa toa fihetsika mifanohitra amin’izany no asehon’izy ireo ny vahoaka. Dia ahoana moa izany no hitranga eny amin’ny fitsarana raha samy tsy hanaiky didim-pitsarana intsony ny olona manan-draharaha eny, ary hitondra namana mitondra basy ? Ny olon-tsotra ihany koa dia mahita fa tsy rariny ny zavatra tahaka izao, satria rehefa ny manana basy sy fahefana izany no mandika lalàna dia tsy azo ampidirina am-ponja ve ? Taorian’ny raharaha nitranga tany Toliara anefa dia nanome toky ny tompon’andraikitra tao amin’ny polisim-pirenena fa hisy ny fifampiresahana anatiny atao, apetraka mazava ihany koa ny fanajana ny lalàna sy ny fitsipika ary tsy hisy intsony ny polisy hihoa-pefy. Io efa nanondrana sahady teny amin’ny Lapan’ny fitsarana Anosy io anefa ny polisy. Dia sanatria ve mifampiaro amin’ny ratsy e ?

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT