Edito

Mifampiandry kendritohana !


  • Alatsinainy 30 Oktobra 2017

Hatraiza no hiafaran’ity raharaha famarotana ny toerana misy ny trano fonenan’ny Filoha teo aloha ity ?

Mifanilika ny mpitantana teo aloha sy ny ankehitriny, izay fianakaviambe iray ihany tany am-piandohana saingy nampiadian’ny ady tombontsoa sy fahefana. Ny mahagaga sy mahatalanjona, dia nandrasana ho faty ilay raiamandreny be, izay vao napoaka ho fanta-bahoaka ny afera. Fa nahoana no tsy napoitra hatramin’izay ? Sa kosa mba ho fakana ny fon’ny mpanara-dia ity Raiamandreny efa lasa nodimandry ity hanohana ny vondrom-pahefana avy atsy na avy aroa no tanjona ? Maro ny ankifonofono eto amin’ny firenena, ary miseho hatrany ny fifampiandrasana kendritohana amina resaka afera maizina. Efa miseho ny resaka ampamoaka isan-karazany ankehitriny, ary mbola maro no zavatra tsy ampoizin’ny rehetra atsy ho atsy. Antomotra tokoa ny fifidianana, ka samy manao izay fomba rehetra hahazoany fandresena. Anisan’ny tena fomba fiadin’ny mpanao politika eto amintsika ny fifamakian’ny mpiray tendro teo aloha ny afera maloto niaraha-nanao, ary porofon’izany ny zava-misy ankehitriny. Efa tena ao anatin’ny ady mafana isika izao, ary miandry ny ampamoaka manaraka mikasika ny hagegen’ny mpitondra indray.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT