Edito

Mifampiandriandry


  • Alatsinainy 07 Martsa 2022

Naha valalanina ny mpanara-baovao sy ireo mpamakafaka moa ny fihetsikana solombavambahoaka iray nanoloanana mpampianatra teny amin’ny lisea, ny volana febroary lasa iny.

 Antony nisian’ny famehezan’ny mpandinika azy iray tamin’ny hoe efa mivadika ambony ity fiainam-pirenena ity satria dia ny mpitondra indray amin’izao fotoana izao no mitondra ny olany amin’ny vahoaka. Ny vahoaka koa anefa amin’izao fotoana izao tsy mahay intsony afa-tsy ny miandry ny mpitondra. Mety mbola ho tafita ve amin’izao fotoana izao izany fanabeazana maha olom-pirenena ho tompon’andraikitra izany? Azo antenaina hahavita izany ve ny fitondrana ankehitriny izay safotry ny olana sy ny fahafaham-baraka na “scandale” isak’izay mihetsika? Filamatra ho an’ny olompirenena na vahoaka izay tarihiny ve fitondram-panjakana mijoro eto Madagasikara amin’izao fotoana izao? Ny fanapahan-kevitra etsy ankilan’izay toa mihazohazo foana tsy hita hoe ahoana? Ny resaka firehana manoloana ny ady mitranga any ivelany izao isan’ny efa voaresaka tao anatin’izany. Rehefa tsy izay dia toa fanapahankevitra miteraka adihevitra lava no hita ho miseho lany. Misy fotoana aza mampametra-panontaniana mihitsy hoe tokony ho izany ve no resahana ao anatin’ny odidina na “contexte” andalovana ankehitriny. Tao anatin’ny fotoana nampamaivay ny delestazy, ohatra, no nahagaga fa tena niresahana ny tetikasa teleferika. Io indray fa hoe ho sokafana izao ny sisintany. Ireo mpisehatra anatin’ny fizahantany mihitsy no velom-panontaniana hoe moa ve izao no fotoanan’izany? Efa tomombana ve ny fepetra araka ny tokony ho izy hiatrehana izany? Samy mifametra-panontaniana sy mifampiandriandry eto daholo sis any rehetra. Samy tsy mahita izay ho atao manoloana izao toe-draharaha misy izao. Ny krizy nateraky ny areti-mandripaka mbola tsy voavaha. Toy izany koa ny rivodoza. Ahiana mafy indray io ny fiakarana mihoam-pampana amin’ny vidin-tsolika, izay mazava ho azy fa tsy maintsy hiteraka fiakaran’ny vidin’entana sy vidim-piainana. Miandry, Mifampiandriandry !
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT