Edito

Mifameno


  • Alarobia 09 Martsa 2016

Mampiseho fahavononana handray ny anjara tandrify azy amin’ny fikarakarana ny ankohonana sy ny fampandrosona any firenena ny


vehivavy, izay raha fintinina ireo kabary marobe omaly 8 martsa, tany Antsiranana moa ny lanonana ofisialy teo ambany fiahian’ny vadin’ny filoham-pirenena. Tsikaritra tokoa fa tena mbola latsaka ambany ny fandraisana andraikitry ny vehivavy amin’ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny eto Madagasikara, noho ny antony maro samihafa. Fa ny tena lehibe mahatonga izany dia noho ny fomba sy ny foto-pisainana amina faritra sy fiarahamonina maro eto amintsika izay mametraka fa ny lehilahy no manan-danja kokoa noho ny vehivavy. Tamin’ny andro fahiny ary mbola hita ankehitriny koa aza dia ny zazalahy no alefa mianatra fa mijanona ao an-trano manao raharaha avy eo alefa manambady ny tovovavy. Misy ny zavatra tsy maintsy amboarina, fomba fijery tsy maintsy ahitsy satria tena mila ny anjara birikin’ny tsirairay ny asa fampandrosoana. Na izany aza sasanangy samy hafa mihitsy ny lahy sy vavy araka ny naharin’Andriamanitra azy, samy manana ny andraikiny, mifameno fa tsy mifanitsaka na sanatria mifaninana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT