Edito

Mifamelona sa hifamono ?


  • Zoma 02 Aprily 2021

Tena mihasarotra ny toe-draharaha, tsy fantatra izay hiafaran’ity krizy goavana ara-pahasalamana mahazo ny firenena ity.

 

 

Baraingo tanteraka ny ho avy? Mbola ho ela sa mba hisinda haingana? Sarotra ny fandidiana, fa ny tokony ho tonga ao an-tsain’ny tsirairay na inona na inona toerana sy anjara andraikitra misy azy dia ny hoe: tsy misy ny fahagagana fa izay nafafy ihany no honjinjaina. Arakaraka ny atao na tsara na ratsy ny vokatra tsy maintsy hotazana. Hatreto, maro no mbola tsy mivaky loha, tsy manaja fepetra, tsy tonga saina fa mety hanefa hatramin’ny ainy anie ny zavatra kely monja tsy voatandrina sa sanatria lasa mifamono isika fa tsy mifamelona. Ny tena loza dia ny hoe ny hadalany no mety hahalasibatra ny hafa mety ho olona akaiky azy na ny tsy manan-tsiny hafa. Ny vahoaka maditra, ny mpitondra ihany koa toa mbola manao ny ataony. Hafa mihitsy ny zavatra maika sy laharam-pahamehana ary tena samy manana ny mahaika azy. Tsy nijery lavitra, fa toa faly nikepoka izay azo, tsy misy sori-dàlana sy làlan-kivoahana mazava teo aloha, fa dia mandeha an-jambany eny. Ny tsy fahaiza-mintantana sy hambom-po diso toerana no zary hanaovana sorona vahoaka. Ny tena manahirana, dia ity fanaboriboriana resaka sy fampandriana adrisa lava ity, fa milamina sy mety ny zava-drehetra, mandeha an-tsakany sy andavany ny fiatrehana ny valanaretina. Ampiana ilay serasera mipoapoaka karazana hetsika sy fihetsika hatao tsara filaza toy ny fizarana fitaovana kely etsy sy eroa, dia toy ny hoe: manga lanitra, kanefa ny olona any amin’ny hopitaly maro no mitsipaka, tsy ampy “oxygène”, tsy maharaka ny fandraisana an-tànana, ny mpiasan’ny hopitaly misy lasibatra satria tsy ampy ny fiarovana,… Izy mianankavy any an-tampony afaka mandeha mitsabo tena any an-dafy na marary an-doha kely aza, fa ny Malagasy bobohana sy ampandriana adrisa amin’ny ambara fa fisorohana sy fitsaboana mahomby. Ny kirendrarendra mandeha ihany, izay toa maneso vahoaka indraindray satria manana amina miliara maro amina zavatra tsy laharam-pahamehana fa jamba eo anatrehan’ny fahoriam-bahoaka. Sao lahy tsy ho zaka ihany koa ny tsiny sy ny todin’ireny ? Fa hifamelona marina isika ireto sa hifamono e ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT