Mifamelona fa tsy mifamono !

Na tiana na tsy tiana, tsy misy


  • Alarobia 24 Jona 2026

fampandrosoana vanona ao anatin’ny

gaboraraka, tsy fanarahan-dalàna, adilahy politika sy ara-piarahamonina,… Matoa ihany koa anefa miseho ny fifandirana sy ny fifandonana na mivantana na ankolaka dia ao raha ! Ny vy tsy mikintrana irery, hoy ny Malagasy. Dia ireny niarahana nahita sy niaina ireny tranga teto Antananarivo ho an’ny omaly, rehefa niroso tamin’ny fitokonana ireo mpiasa amin’ny fitateram-bahoaka. Samy manana ny andraisany azy. Tao ny nimenomenona fa efa tafahoatra ny fampijaliana vahoaka, tsy rariny,… Betsaka ny olom-pirenena no nitehaka sy nankasitraka ny fandraisana andraikitra nataon’ny Fanjakana namoaka sy nampiasa ireo bus lehibe nipetraka hatry ny ela tao an-dapa. Na izany aza, fiarahamonina iray isika, miharihary fa mifameno sy mifamelona, raha raisina amin’ny mpitatritra sy ny taterina ohatra. Midika izany fa mila fandaminana sy famerenana amin’ny laoniny ny lamina sy ny fifampitondrana, tsy misy afaka hiteny hitompo teny fantatra ho manana ny rariny. Tsy miaro ireo mpiasa, fa matoa ihany koa tonga amin’ireny dia feno ny kapoaka, mahatsapa tsy rariny,… Anjaran’ny rehetra voakasika ny mandinin-tena amin’ny tokony hahitsy, hanarina ny lesoka, tsy hifanao kely tsy mba mamindro,… izay mateti-pitranga eny amin’ny fiarahamonina, raharaham-panjakana, fifanolanana ara-pitsarana,… Mila hakana lesona ny zava-drehetra fa tsy mandehandeha ho azy, aravona ny olana, jerena ny soa iombonana. Ny toe-javatra tahaka izao mantsy no ataon’ireo tsy maty voalavo an-kibo entina mikopaka afo, hany ka na mitaky am-pahintsiana ny rariny sy ny hintsiny aza, misy mitady hanao hanararaotra amin’ny politika. Mila mitandrina sao ho tafaroboka anaty harato !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT