Edito

Miesona tanteraka !


  • Alatsinainy 20 Febroary 2017

Hain’ny mpitondra eto amintsika ny mipasoka sy mandamin-dresaka momba ny zava-misy eto amin’ny firenena,

ka toa rendremana sy tratry ny samy variana ary miesona tanteraka ny valalabemandry. Samy milaza ho tia tanindrazana sy miaro ny harem-pirenena, izay tompon’andraikitra rehetra miteny saingy inona akory no teo ! Nanjavona ny marina mikasika ireo volamena tratra teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Tadiavina hampanginina ihany koa ny raharahafa boaderozy tany Masoala… Mbola be no ho avy eo, fa ampahany ihany ireo saingy, tsy misy taitra intsony fa efa tena matory ny rehetra e ! Any anaty propagandy indray vao ho taitaitra sy jamban’ny vola atao fafikantrana mba ho vidin’ny safidin’ny tena. Tsy fantatra sy tsy takatry ny maro an’isa mihitsy fa ny vidin’ny harem-pireneny naondrana tamin’ny fomba an-tsokosoko ihany no natao hanambakana azy ? Tsy ny mpitondra sy ny mpanao poltika ihany no mamotika ny firenentsika fa anisan’ny tompon’antoka ny vahoaka, izay manaiky lemena ara-tsaina sy manaiky hambakaina amin’ny mora foana, ka tsy mijery lavitra fa jamban’ny fanambazana kely tsy mahavita taona, kanefa tsy miherina akory ny taona dia himenomenona hoe mpitondra tsy mahavita azy. Mila mijery lavitra fa tsy sodokan’ny anio ihany, ka zary ho lasa androm-panenena ny ampitso rehetra e !

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT