Edito

Miesona ny vahoaka


  • Zoma 15 Jolay 2016

Efa tena tsy hay intsony izay endri-pitantanana misy eto Madagasikara ankehitriny.


 Mbola manana ny hasiny ihany ve ny parlemanta sa baiko midina avy any amin’ny fiadidiana ny repoblika sy ny governemanta no raisiny ? Misolotena ny vahoaka marina ve ny solombavambahoaka sa miaro ny antokony sy ny tombotsoany fotsiny ? Mba tena manana vina hanatanterahana asa hanarenana ny firenena sy hanasoavana ny vahoaka marina ve ny governemanta sa mandany volam-panjakana sy mitsetsitra famatsiam-bola fotsiny ? Eo amin’ny resaka fandriampahalemana moa dia tena very fanahy mbola velona ny olona, indrindra fa ireo miaina any ambanivohitra satria tena manao izay tiany ary efa tsy matahotra mpitandro ny filaminana intsony ny olon-dratsy. Zava-manahiran-tsaina hafa manampy trotraka izany rehetra izany ny fahasosoran’ny Malagasy manoloana ireo vahiny mahazo tany etsy sy eroa, tsy fantatra intsony na ara-dalàna na tsia fa dia manana taratasy aloha izy ireo. Tsy misy mihitsy ve ny fitsinjovana ny Malagasy fa ny hafa foana no mahazo avara-patana satria mahatolotolotra be angamba e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT