Tsy ny olona no be resaka na manely tsaho fa tena mitombina tsara mihitsy ilay hoe :tsy milamina io governemanta Solonandrasana io.
Vao iray volana niasana ve dia efa io hita mibaribary io sahady ny tsy fitoviam-pijery eo amin’ny praiminisitra sy ny minisitra eo amban fahefany.Ary ny tena loza dia misy mitonatonana miresaka ny zavatra tsy andraikiny akory.efa nisinisy ihany moa ny fanakianana sy tolo-kevitra saingy tsy nihaino ny filoham-pirenena fa dia namadibadika ny tonta ho vao, dia io iaraha-mahita io ny vokany e. Ny resaka famatsiam-bola ho azo aloha dia efa namana’ny nofinofy, ankoatry ny tetibola hiatrehana ny fihaonana an-tampon’ny frankôfônia.Ny olana andavanandron’ny vahoaka, tsy ahitam-bahaolana , asan-jiolahy, fahatapahan’ny rano sy ny jiro.Hita hoe tena lojika raha mikatso ny famahana ny olana maro samihafa satria ny samy mpitondra aza tsy mifanara-tsaina .Mampalahelo fa tahaka ny resak’adala fotsiny no atao eto, lany andro amin’ny fivoriana sy atrikasa ary seminera fa tsy misy fiantraikany mivantana amin’ny fiainan’ny sarambabem-bahoaka akory izany.Hatreto aloha dia olom-bitsy no migalabona amin’ny vola be sy ny harem-pirenena, fa ny vahoaka dia miesona isan’andro.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.