Edito

Miesona am-pitoerana eo


  • Alakamisy 11 Desambra 2014

Efa tena hafahafa be ihany ny toe-draharaha politika amin’izao fotoana ka asa raha mba mahatsapa izany ihany ireo mpitondra antsika na mbola manao bemarenina tsy te hahalala. Tsy takona afenina intsony izao fa tena mitombo andro aman’alina ny olona leo sy diso fanantenana amin’ity fitondrana ity, herintaona monja taorian’ny nijoroany. Hatreto dia tsy nisy asa natao na zavatra vita na fihetsika tena nandresy lahatra ny olona avy amin’ny fitondrana Rajaonarimampianina

tany aloha mantsy nalaza tamin’ny fanamboaran-dalana, ny famoronana orinasa, ny ady amin’ny kolikoly, ny fanafoanana ny trosa tany ivelany sy ny fahabetsahan’ny vola azo avy amin’ny mpamatsy vola ny fitondrana Ravalomanana. Taorian’io dia nahay nikarakara ny olona sahirana tamin’ny alalan’ny tsena mora sy ny zavatra maro samihafa ny fitondrana tetezamita, nahavita kianja sy trano fonenana, eny fa na dia niteraka resabe aza izy ireo ary ireo fitondrana roa voalohany ireo dia hita fa samy nahay nampiasa ny serasera. Ankehitriny kosa dia tena tsy misy azo raisina mihitsy e ! Ny olona anefa tsy maintsy mampitaha foana ka dia mibaribary fa dia tsy mahavita azy ilay fitondrana voalohany amin’ny repoblika faha-4. Maro ny resaka mandeha, politika rahateo no atao koa raha diso mieboebo sy mazan-doha tsy mety mifanaraka amin’ny hafa izao fitondrana mijoro izao dia mety ho tratran’ny tambabe ihany atsy ho atsy satria efa mandeha ny fifampiresahan’ny ankolafy politika isan-karazany any ambadibadika any ary olona mety tsy nampoizina ny hiaraka mihitsy no hanambatra hery atsy ho atsy… !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT