Edito

Miesona ?


  • Sabotsy 24 Oktobra 2015

Efa fantatra fa kisendrasendra noho ny paikady politikan’ny sasany no naha kandida ho filoha an’i Hery Rajaonarimampianina tamin’ny 2013, ary tao anatin’ny fihodinana faharoa vao tena nanezaka mafy sy nampiasa ny paikady rehetra mba hahalany azy izy.

  

 

 Fahotana mahafaty nangalatra kabarin’olona no nataony tamin’ny fianianany teny Mahamasina ny 25 janoary 2014. Fampanantenana poakaty no notanisainy toy ny fanafoanana ny delestazy ao anatin’ny 3 volana, fampianarana maimaimpoana eny amin’ny ambaratonga fototra, fahazoana famatsiam-bola maro be satria, hono, talentany ny mitady vola. Ara-politika dia tena nanaotao foana ny antoko HVM noforoniny. Nividy solombavambahoaka teny Tsimbazaza, tompondakan’ny fanaparam-pahefana sy ny tsindry bokotra. Olona manampahaizana anefa ity filoham-pirenena ity ka lasa ihany ny fisainana hoe sao lahy ka nisy namitaka, nisy nampijabaka izy ? Manao ny ataony ireo mpiara-miasa aminy, misy mihitsy ny mampiesona. Ny vahoaka anefa tsy te hahalala fa ny filoha ihany no fantany. Tsy misy mahita izay fifanarahana miafina any ambadibadika any, fa ny zava-misy no fantatry ny olona dia ny hoe mampiesona sy be kabary loatra ity fitondrana ity. Tsy misy anefa ny asa mivaingana fa asa maimaika foana no tazana.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT