Manga ny lanitra, nahomby ny ezaka, tena nahay ny mpitondra ankehitriny tamin’ny pakaidy nentiny niatrehana ny krizy, raha ny valan-dresaky ny filoham-pirenena omaly.
Rehefa miaraka, hono, dia tafita ny firenena, ary ohatra velona izao. Asa tena tafita tokoa ve isika? Ambara fa resy ny valanaretina, saingy na inona na inona ambara dia resy ny vahoaka Malagasy. Sambany tao anatin’ny 60 taona angamba no nisy tahan’ny harin-karena niiba izany. Niova, hono, ny fomba fijerin’izao tontolo izao antsika satria isika lasa mpamonjy namana. Indrisy anefa, fa isika ilay hamonjy ity no tena mila vonjy sy efa “sous-sérum” raha marary any amin’ny hopitaly. Marary ny ariary, mikorosy fahana ny firenena, sahirana ny vahoaka, mitombo ny tsy an’asa, tsy milamina ny tany,… Ilay Filohan’ny mpamonjy izao tontolo izao no mitalaho fanafoanana trosa, tsy manana vahaolana raha tsy misy ny Banky iraisam-pirenena sy ny sampan-draharaha maneran-tany momba ny sakafo,… Tena fijery miabo tokoa ve no hijeren’ny vahiny an’i Madagasikara sa zary ataon’ny olona fihomehezana indraindray? Efa zava-dehibe aloha na izany aza ny fahataperan’ny hamehana, fa hafahafa ihany ity resaka fahalalahana mamory olona ity. Rehefa ny Filoha, dia tsy olana, fa rehefa ny hafa tsy mahazo mihoatra ny 200. Toa miharihary fa kajikajy politika no ao ambadika. Asa aloha izay zavatra hiova, fa ny tsy azo lavina dia miakatra ny maripana ara-politika eto. Mihenjana amin’ny mpanohitra ny Fanjakana, ary mandrangaranga hery, manenjika, misambotra, managadra,… Hitohy io fomba fiady io ka horahonana izay miana-kendry manakiana ny fanjakana sa hiova amin’ny amin’izay ny fomba fanao ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.