Edito

Miavon-tsy feno


  • Alarobia 21 Oktobra 2015

Tsy fantatra intsony izay ao an-tsain’ny mpitondra fanjakana eto amintsika. Rehefa mba misy ve Malagasy te hanao zavatra ho amin’ny tombontsoan’ny rehetra dia tsy maintsy ahitana hirika hanakanana azy foana.

 Marina fa mpandraharaha i Marc Ravalomanana, ary efa tetikasa tamin’ny 2009 ilay labatoara eny amin’ny digue. Mety efa maro ny zavatra niova hatramin’izay ka hatramin’izao. Fa na izany aza dia ho fahotana mahafaty ve ny manana eritreritra hanohy io asa efa natomboka io ? Hamorona asa io, hanampy betsaka amin’ny fifehezana ny kalitaon’ny hena amidy eto amintsika, azo eritreretina ihany koa ny fanodinana ny hena eto an-toerana sy hamoahana karazam-bokatra maro samihafa. Maro ny zavatra azo atao ary azo eritreretina tsara ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina. Mampieritreritra ihany ilay fihetsiky ny fitondram-panjakana indraindray, tena saro-tiavina, ka izy hanaovana soa sy hikarohana fanampiana indray no miavona. Miavon-tsy feno !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT