Edito

Miavon-tsy feno


  • Alakamisy 04 Desambra 2014

Apetraka ihany ny fanontaniana hoe :fa inona marina moa no tian’ny mpitondra hahatongavana e ? Filaminana sy fitoniana ve sa fifandrafiana politika mandavan-taona ? Nahoana no tsy mba nampiseho fihetsika manambara fa vonona amin’ny fampihavanana tokoa ny mpitondra,

tokony ho lohalaharana amin’izany ny filoham-pirenena izay manizingizina foana fa izy no hitarika ny fampihavanana. Ny hita mantsy dia misy ihany ilay ambara hoe : “tsy miady fa ny kibay an-kelika ihany”. Zanak’omby tsy ampianarin-domano ny filoha Rajaonarimampianina ary mahafantatra tsara ny zava-drehetra manodidina ny fodian’i Marc Ravalomanana teto Madagasikara. Filoha izy ary manana sampandraharaha manokana afaka manangona vaovao faran’izay haingana ; tsy misy olona hino fa tena tampoka tokoa ho an’ny fitondram-panjakana ny fiverenan’i Dada. Ny tombantomban’ny mpanara-baovao dia ny hoe  nisy zavatra nifanarahana tao, saingy mety nisy ny fiovana tampoka dia rava ilay fifanarahana. Efa lasa anefa iny tsy azo iverenana intsony, fa ahoana kosa no iatrehana ny ho avy ? Nahoana no manao teny an’avona miravaka eso foana ireo tompon’andraiki-panjakana kanefa hita izao fa tsy hisy fampandrosoana ho vanona ao anatin’ny krizy politika izany eto e ! Ny ny fahabetsahan’ny famatsiam-bola ho azo no hampandroso an’ity firenena ity fa ny firaisankinan’ny olona ao aminy, ny fifanomezan-tanana ary tanterahana ao anatin’ny filaminana sy ny firindrana izany. Sarotra be mihitsy ve ny mahatakatra an’izany no mbola be fihetsiketsehana ivelany foana ny sasany hatramin’izao fa tsy miroso amin’ny tena asa e ?

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT