Edito

Miasa miaraka…


  • Alatsinainy 23 Martsa 2015

Pejy iray teo amin’ny tantara politikan’i Madagasikara no nivalona niaraka tamin’ny fitsaharan’ny tolon’ny Magro. Naharitra enin-taona ny hetsika, tao anatin’ny fitakiana ny fiverenana amin’ny ara-dalŕna, ny fanoherana ny fanapotehana ny firenena ary ny fiverenan’i Marc Ravalomanana

 

 

 


an-tanindrazana. Tsy maintsy manam-petra moa ny zava-drehetra ety ambany masoandro ary  tsy mety ihany koa ny mitaky na manakiana fotsiny fa manome vahaolana mba hahafahana miroso amin’ny tsara kokoa hatrany. Tsy mivaona amin’izany mihitsy izao zava-mitranga izao, mazava ny resaka eto fa dia tena hanomboka ny asa fanarenana ny firenena amin’izay Atoa Marc Ravalomanana sy ireo mpiara-dia aminy. Fomba maro samihafa no hahafahana manatanteraka izany ary tsy voatery hoe tsy maintsy mahazo fitondrana tsy akory vao mety. Manaiky ny rehetra fa manana paikady henjana ity filoha teo aloha ity, efa noporofoiny izany. Olon-kendry ihany koa izy, olon’ny fandeferana ary olon’ny fifampiresahana…Mety ho sarotra raisina ho an’ny olona sasany ihany izany, ao ireo mety tsy mino saingy efa izay aloha ny zava-misy. Tsy fotoan’ny fisavorovoroana intsony izao fa fotoan’ny asa fanarenana, isika rahateo ao anatin’ny fampihavanam-pirenena ka aseho amin’ny asa mivaingana izy io fa tsy hoe resahana ambony latabatra fotsiny. Nampiseho indray ny ankolafy Ravalomanana fa zava-dehibe aminy ny fanavotana ny firenena, asa goavana tsy vitan’olona tokana io fa tsy maintsy hifanampiana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT