Edito

Miasa ho anao ny fanjakana.


  • Alatsinainy 05 Desambra 2016

Manoatra noho ny hita talohan’ny frankofonia izao ny andavanandron’ireo mponina eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Izay aleha rehetra na Ambohijatovo na Analakely.


 Ny tsy nampoizina amin’iny lalana mihazo an’i Soanierana sy Akadimbahoaka iny no safononoky ny fitohanan’ny fifamoivoizana tsy misy toa azy. Mirentinty eny amin’ireo zaridaina vao avy namboarina hatrany ny teny filamatra hoe “Miasa ho anao ny fanjakana.” Fahasorenana mitohy amin’ny fahatarana ary miafara amin’ny tsy fahavitan’ny androantokon’ny asa mihitsy aza matetika ny fitohanana. Iza marina moa ity fanjakana ity ? Efa im-piry no nanitsy ireo karazan’ankolafin-kery samihafa fa ny vahoaka no fanjakana fa tsy ny mpitondra ? Miasa ho an’iza ity fanjakana ity ? Ho an’olona ve ? Ho an’ny fitondrana ? Miasa ho an’iza sa hampiasaina ho an’iza ? Anjaran’ny tsirairay no mandinika.

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT