Edito

Miaro sa mamono ?


  • Alatsinainy 12 Desambra 2011

Ankoatra ny fiverenan'ny filohan'ny FAT avy any Frantsa sy ny fankalazana ny tsingerintaona voalohany nahaterahan'ny Repoblika faha-4, dia nanamarika ny faran'ny herinandro dila iny ny zava-nitranga tany Toliara.

 Mpitsara iray no maty noho ny vono sy daroka nataona andiana polisy taminy. Voalaza moa fa tezitra noho ny nanagadrana ny naman'izy ireo iray noho ny fahaverezan'ny basiny sy ny naha voarohirohy azy tamina raharaha hafahafa ireto polisy tao Toliara ireto, ka dia naneho ny fahasosoran'izy ireo tamin'ny alalan'ny famonoana mpitsara. Efa saika namaky ny fonja tao Toliara izy ireo saingy tsy nahatohitra ny mpiambina ny fonja koa dia nihazo ny Lapan'ny fitsarana. Samy nanameloka ity fihetsika ity avokoa ny rehetra ary mitaky ny hivoahan'ny marina sy hanasaziana ireo nahavanon-doza, satria tsy misy olona ambonin'ny lalàna izany eto Madagasikara. Mafy dia mafy tokoa ny daroka nahazo ilay mpitsara, satria ora iray monja taorian'ny nidarohan'ireo polisy azy dia tapitra ny ainy.

Dia velom-panontaniana ny maro eto hoe : fa polisy tahaka ny ahoana loatra izao ao Toliara izao, na dia atao hoe niharan'ny tsy rariny aza ny naman'izy ireo, dia fihetsika mendrika mpitandro ny filaminana, hiaro ny vahoaka ve, ny famonoana mpitsara sy fanapoahana basy eny am-bavahadin'ny fonja ? Tompon'ny tenany ve ireo polisy ireo sa sanatria donton-javatra hafa ka tsy mahafehy ny fihetsiny ? Ary raha toa ka hanao izany avokoa ny polisy isaky ny misy iray amin'izy ireo melohin'ny fitsarana, dia hanao ahoana ny mety hitranga eto ? Tsy vitan'ny fanambarana sy fialantsiny avy amin'ny tomponandraikitra, raha ny fahitana ity raharaha ity fa tena mila fandraisana fepetra hentitra sy henjana, ho lesona ho an'ireo mbola manana eritreritra hafahafa fa tsy hoe rehefa manana basy sy fahefana dia manana ny marina sy ny rariny. Tokony hahatonga saina ny mpitondra isan'ambaratongany koa ity raharaha tao Toliara ity satria miha mahazo vahana tato ho ato ny fitsaram-bahoaka. Mamono sy midaroka olona ny andrimasom-pokonolona.

Mifamaly faty ary tena mifamono mihitsy ny andiana tanora sasany. Manao ny ataony koa ny zandary sy miaramila ary polisy. Efa re tamin'ny vaovao koa ny hoe zanak'olona ambony misetrasetra, migafy sy mamono olona, ny fandorana olona velona izay nolazaina fa nangalatra. Maro be no nitranga nanerana ny Nosy fa ampahany ihany ireo, ary azo itarafana fa lian-dra sy romodromotra izany ny olona hatramin'ny nanombohan'ny krizy tamin'ny 2009. Ny tena mampatahotra dia manomboka hita ny fahalemen'ny fanjakana ao anatin'ireny tranga rehetra ireny.

Ny ambetin-tenin'ireo manampahefana dia hoe tokony ho samy tomponandraikitra ny tsirairay ary hanampy ny mpitandro ny filaminana, eny fa na dia amin'ny fanomezana vaovao fotsiny aza. Ekena fa tsy ho vita ny polisy sy zandary miambina isaky ny tokantrano na ny fianakaviana. Na izany aza, tokony hanana paikady matotra amin'ny firoborobon'ny asan-jiolahy sy ny tsy fandriampahalemana ireo tomponandraikitra fa tsy miandry fanampiana lava izao. Fotoana izao hitsirihan'ny lehibeny isanisany ireo miaramila na polisy na zandary hafahafa, hita fa mety hanondrana na tsy hahavita ny asany araka ny tokony ho izy. Tokony ho hentitra ihany koa ny fanaraha-maso ny fivoahan'ny fitaovam-piadiana ampiasain'ny mpitandro filaminana fa tsy atao baranahana sy gaboraraka izany. Dia samy miandry ny rehetra fa ho hentitra sy ho haingana ny fepetra horaisina taorian'ny tranga tany Toliara iny, ka hahazo ny sazy sahaza azy ireo, satria fanafihana fonja sy famonoana olona no nitranga tany fa tsy hoe adiady tsotra teny an-dalambe.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT