Edito

Miaro ny tombotsoam-pirenena


  • Zoma 19 Septambra 2014

Maka toerana ny Sinoa, mibodo toerana ny Frantsay , misisika tsimoramora ny Amerikanina, maika hiara-hiasa ny Israeliana, efa eto ary hanitatra hatrany ny aferany ny Karana.Manakarena i Madagasikara ka ifandroritan’ny vahiny, feno harena eto na ambonin’ny tany io na ambanin’ny tany na anaty ranomasina sy ambanin’ny ranomasina.

 Anisan’ireo tany sokajian’ny manampahaizana fa tahiry voajanaharin’ny planeta tany i Madagasikara, tany Masina sady manankarena.Mila mpitondra hendry mahay, maranin-tsaina isika vao afaka hiatrika io rodorodon’ny vahiny eto io.Misy ny fiaraha-miasa azo atao, fa misy fetrany kosa ny fitrandrahana ny harem-pirenena e !Tsy misy mitsipaka ny fiaraha-masa fa ilay fametsifetsena kosa , tsy azo ekena intsony satria tsy vanim-potoan’ny fanjanahantany intsony izao.Ekena mihitsy fa mbola firenena mahantra i Madagasikara, mila ny fanampiana avy any ivelany, fa ny avy any ivelany koa mila an’i Madagasikara.Ka eo no miditra an-tsehatra ny mpitondra sy ireo mpitantana antsika , mikaroka ny vahaolana handrindrana izany rehetra izany. Misy antony matoa sahy mamono malagasy eto amin’ny taniny ny vahiny, heverin’izy ireo mantsy fa tsy sahy hisambotra sy hanagadra azy ny manampahefana satria mangata-bola any aminy.Enga anie ka mba misy ihany manampahefana tompon’andraikitra, tena tia tanindrazana ka tsy hanaiky ho ambany ziogan’ny vahiny fa tena hiaro  tokoa ny tombotsoam-pirenena sy ny tombotsoan’ny malagasy !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT