Edito

Miaritra kely fa hanana ny soa ve ?


  • Alatsinainy 30 Aprily 2018

“Ny hisavorovoroan-kilantoana”, hoy ny fomba fitenintsika Malagasy. Ao anatin’ny savorovo politika tokoa isika amin’izao fotoana, saingy indrisy fa efa mitatao amin’ny sarambabem-bahoaka ny krizy ara-tsosialy.


Ny mpanao politika izay fototry ny olana, dia tsy ho very mandeha sy tsy hizaka ny zakain’ny valala tsy mandady harona izany velively, kanefa dia ataon’izy kianjan’ady politika ny firenena. Izao tokoa ve ilay hoe mila miaritra kely fa hanana ny soa ? Enga anie ! Saingy hiharitra mandra-pahoviana Ramalagasy izay toa hararaotina amin’ny fahalemeny ? Ny anio sy rahampitso ho vita ihany fa ity izy toa efa ho lava sy miverimberina no mahavalalanina hoe isaky ny folo taona eo hoe eo, dia tsy maintsy handalo loza amin’atambo foana i Madagasikara ary atsy ho atsy dia mety hihena isaky ny roa na telo taona raha izao no mitohy. Ny mpitondra fanjakana milaza fa efa manomboka misandratra ny firenena, ka tsy tokony hokorontaniny intsony. Te hifikitra eo sy hanohy ny ambara fa fampandrosoana izy io, ka mandeha avokoa izao fanadiovan-tena sy filazana abobo izao. Ny ety ivelany anefa mahita fa ny fiainan’izy mianakavy no misandratra avo arivo heny, ka lojika ny olona raha mandeha miantsampy any amin’izay sahy manozongozona azy. Manantena revolisionina sy fiovana goavana ny maro amin’izao tantara izao, saingy ho tonga any amin’ny eritreretina ve ? Miandry izay hiseho aloha isika hoe haravon’ny fampihavanana izay manomboka hingaina ve ny disadisa politika ? Azo antoka aloha fa mety hiravondravona ihany na ho ela na ho haingana. Raha toa ka ho hita eo ny marimarimaritra iraisana eo amin’ny samy lehibe dia mba ahoana kosa ny Malagasy efa zarina habadoina sy hampahantraina ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT