Edito

Miaraka afa-baraka


  • Talata 04 Jolay 2017

Raha hiteny hoe Lany henatra ny mpitondra dia toa efa tsy izay intsony akory amin’izao fotoana izao no zava-misy fa tena efa manoatra lavitra mihitsy aza. Manala baraka firenena ve ?

 Toa efa hatramin’ireo mpitondra teo aloha koa aza mba hita ho izay hatrany raha nampitondra fahantrana teto nandritry ny taona maro. Tsy hita intsony izay ilazana azy fa dia miaraka afa-baraka aloha amin’izao fotoana izao isika mianakavy tsy ankanavaka. Na mpitondra io na entina manoloana ilay raki-peo mieli-patrana hatrany amin’ireo haino aman-jery iraisam-pirenena ankehitriny tamin’ny fotoana nisamborana ilay mpandraharaha sady mpanolotsain’ny filoham-pirenena izay nenjehina noho ny raharahana kolikoly avo lenta. Raha mbola mahatsiaro tena ho olom-pirenena mandray anjara amin’ny fiainam-pirenena koa dia azo antoka fa mba manongo tena sy menatra ihany hoe miaina anaty firenena ahitan-javatra toy ireny. Asa anefa aloha izay fanazavana ho heno indray avy amin’ireo tompon’andraikitra ato ho ato mikasika iny raki-peo miparitaka iny fa ny zava-misy aloha dia tsy mbola maha resy lahatra ny maro ny fanazavana mikasika ny fiainan’ity mpandraharaha ity any Manjakandriana any.

Mirija     

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT