Edito

Miara-mirona ry …!


  • Alatsinainy 11 Aprily 2011

Manao don-tandroka ary tonga masiaka hanampy amin’ny asa fanelanelanana ataon’ny SADC, hono, ny Frantsay sy ny tariny, mialokaloka ao anatin’ny COI, izay fikambanana iraisam-prenena najoron’ny Frantsay tahaka ny OIF mba hahafahany mifehy ara-kolontsaina sy ara-politika ary ara-toekarena ireo zanataniny teo aloha.

Tsy mipetra-potsiny ny Frantsay na dia somary nangingina aza hatramin’ny fihaonana tsy nahomby tany Pretoria fa dia niasa mafy tany ambadimbadika tany, na teto Madagasikara io na tany ivelany, Afrika sy Eoropa ary tany amin’ny Firenena Mikambana sy ny fikambanamben’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena. Tsotra ny fomba fiady nampiasaina tamin’izany dia ny hoe : efa voafidin’ny vahoaka Malagasy ny lalàmpanorenana vaovao, tafapetraka ny governemantan’ny firaisam-pirenena, sy ireo rafitra tetezamita notakian’ny fifanarahana iraisam-pirenena dia ny CT sy ny CST izany ary efa am-perinasa ihany koa ny CENI koa tsy tokony hitsivalana intsony amin’ny famahana ny krizy ny sehatra iraisam-pirenena fa hanampy ny fitondrana tetezamita misy eto Madagasikara amin’ny fikarakarana ny fifidianana mba tena hiampitana tokoa any amin’ny Repoblika faha-IV.

Tsy nandeha irery i Frantsa tamin’io hetsika io fa niantso firenena hafa izay manana tombontsoa eto Madagasikara ary tsy dia miraharaha loatra izany hoe fifanarahana iraisam-pirenena izany raha ny tantarany no jerena, anisan’izany i Chine sy i Rosia, eo ihany koa i Torkia ary farany teo dia tafaroboka tao koa ny nosy Maorisy, mpikambana ao amin’ny SADC sady mpikambana ao amin’ny Frankofonia ary ao amin’ny COI. Tsy azo adinoina ihany koa ny hetsika ataon’ireo mpanefoefo Indo-pakistanais na Karana eto amintsika izay hatramin’izao aloha dia manohana tanteraka an’i Andry Rajoelina. Mibosesika miditra eto amintsika amin’izao fotoana ny mpandraharaha Sinoa, tsy varotra akanjo eny Behoririka fotsiny no ataon’zy ireo fa zavatra maro be ary goavana indrindra amin’izany ny fitrandrahana vy sy solika ary harena ankibon’ny tany. Efa nanao izay nety teto ireo mpandraharaha Maorisianina fa manam-paniriana ny hampitombo ny tombontsoa azony eto ihany koa izy ireo. I Torkia moa dia anisan’ireo firenena voalohany nanaiky ny FAT, saingy tsy hita mazava izay tena tombontsoantsika amin’ny fiaraha-miasa aminy hatramin’izao, ary tokony ho fantatry ny rehetra fa niady mafy tamin’ny fampidirana an’i Torkia tao anatin’ny vondrona Eoropeanina i Lafrantsa.

Sao dia valimbabena ihany aza ity fihazakazahan’i Torkia miara-miasa amin’ny FAT ity ? Tsy hiandry ny faran’ny volana mey hisian’ny fivoriana tsy ara-potoan’ny SADC i Frantsa sy ireo mpiara-dia aminy fa hanao izay rehetra azo atao hanohizan’ny tetezamita ny lalany sy haneken’ny sehatra iraisam-pirenena izao endri-pitantanana misy eto izao. Mody aroso ny hoe atao ny fifidianana madio sy mangaraharaha dia ho avy eo ny fanampiana ara-bola sy ara-pitaovana. Ny Frantsay rahateo matanjaka eo amin’ny rafitry ny fampindramam-bola eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena satria teratany Frantsay i Dominique Strauss Khan filohan’ny FMI am-perinasa amin’izao fotoana. Tsy fandaminana ny krizy misy eto Madagasikara no mahamaika ny Frantsay fa ny fanamafisana ny fahazoany tombontsoa amin’ny fitrandrahana ny harena misy eto. Misy ny mpanao politika Malagasy mety tsy mahatakatra izany, misy kosa no mahalala tsara an’io drafitry ny mpanjanaka taloha io. Mbola misy ihany ve ny tena tia tanindrazana sa dia manara-drenirano ny fanatontoloana fotsiny ? Tsy maninona ve raha akorontan’ny fifidianana petatoko sy natao maimaika ny firenena satria efa mba nahazo toerana ny tena, ary efa mandrimandry any ambadika any ny valin-kasasarana matevintevina ihany ?

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT