Miara-mionona!

Mikatso tanteraka ny fiainam-pirenena, hoy indray ny


  • Alatsinainy 28 Jolay 2025

naverin’ilay filoham-pirenena teo aloha izay, ny faran’ny herinandro teo.

Ohatran’ireny hoe vao androany ireny izany vao fantatray, hoy ny mpanara-baovao. Mbola izany ihany tokoa ve moa no mila tenenina amin’izao fotoana izao? Fanimpiriny tamin’ireo olompirenena malagasy noravàna trano sy nanjary lasa tsy nanan-kialofana moa ireo niharan’izany indray teny Anosiala ny faran’ny herinandro teo? Miverimberina io ny vahaolana vono afon’ny fitondràm-panjakàna rehefa misy raharaha mafampana eto amin’ny firenena, tahaka izay nitranga teo anivon’ny JIRAMA farany teo. Niaraha-niaina tao anatin’ny fotoana fohy ny mba fitoniana kely satria mba somary niato koa ny delestazy rehefa nitokona sy tsy nanaiky ny hanovàna ny sata mifehy azy ity orinasa mpamatsy herinaratra sy rano ny vahoaka malagasy ity. Ankehitriny anefa dia ireny niara-niaina tamin’ny faran’ny herinandro ireny indray ny fiverenan’izany delestazy izany masiaka. Vao izao ve izany ny mpanohitra izao fitondràna izao no mahita fa zary lasa ataon’ilay fitondràm-panjakàna fitaovana ny fitsaràna na tsy ahitàna mangarahara mihitsy ny fitantanana ity firenena ity? Tsy efa hatramin’ny andron’ny tetezamita nanomboka ny taona 2009 ve izany no niteraka adihevitra, indrindra, rehefa tafiditra teto, ohatra, ny tsy fiara tsy mataho-dalana miisa 350, izay nambaran’ny praiminisitra voalaza ho nomena azy tamin’izany fa fanomezana ireny? Teo ny raharaha Andramena, ny vy tao Soalala, nandalo taty amin’ny raharaha fitantanana ny famatsiam-bola momba ny COVID 19 maherin’ny 900 tapitrisa Euro, ny fahitalavitra fisaka na «Ecran plat» sy «bonbon sucette» dia io koa ny raharaha Ambohimalaza sy ny fanapoizinana na fahapoizinana ara-tsakafo manerana ny nosy. Laharam-pahamehana ho ahy ny filazàna ny mangarahara amin’ny vahoaka malagasy, hoy ny filoham-pirenena nialohan’ny fandaharana nataony ny alakamisy teo. Ny ampitson’iny ihany anefa dia efa nisy ray aman-drenin’ireo tanora namoy aina naneho ny alahelony fa tsy nisaina akory ny zanak’izy ireo, izany hoe, raha tokony ho 33 no tena isan’ireo maty tamin’iny raharaha Ambohimalaza iny dia nolazain’ny filoham-pirenena sy ireo tomponandraiki-panjakàna nanontrona azy ho 32 ihany. mandrak’androany tsy fanta-bahoaka hoe inona no fanefitr’ilay poizina ary na ilay nolazaina fa poizina aza miteraka adihevitra sy fisalasalàna ho an’ny maro hoe tena singa mahafaty tokoa ve nefa nampiasain’ny maro nanadiovana ny sekoliny fahazaza? Ambara indray fa anjorombala ankehitriny ny siantifika. Tsy efa izany koa ve moa no niseho tamin’ny fanerena hanisy «Colisée» tao anaty rova sy ny nanovàna ny anaran’ny rovan’Antananarivo ho rovan’i Madagasikara saingy niara-nionona fotsiny teto hatrany ny rehetra? Asa hoe hanao ahoana indray ny rahampitso fa dia miara-mionona hatrany aloha izany hatreto!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT