Miara-miodinkodina

Miara-miodina amin’ny fitondram-panjakana eto izany izao isika vahoaka malagasy mitady


  • Zoma 16 Aogositra 2024

izay ho fanampin’ny mpitondra efa misy eo aloha. Eo dia miara-miodinkodina eo.

Enga anie mba tsy ho fanina! Efa hita izao fa tsy lojika politika amin’ny firenena mitonona ho repoblikanina, araka ireo efa fanazavana maro nataona mpanao politika sy mpandinika, ilay tsy fisiana governemanta feno aorian’ny 72 ora naha voatendry ny praiminisitra. Tsy zava-baovao loatra ihany koa ary samy niara-naheno izany ny mpanara-baovao, ny voambara tamin’ilay hoe praograma ankampoben’ny fanjakana na PGE natolotry ny praiminisitra teny anivon’ny antenimiera. Maika tampoka indray, hono, ny fampiakarana ny fahefa-mividin’ny malagasy! 6 taona aty aorian’ny nitabatabana herivelona maro izany hahamehana izany ve izany ilay fitondram-panjakana vao tonga saina hoe izany tokoa no maika izao, mba tsy hilazana hoe 16 taona? Tao anatin’izay 5 taona vita tanatin’ny fotoam-piasana voalohany izay aza moa, nifandimby teo daholo ny minisitra maro, ny sasany nolazaina fa atidoha na hoe «cerveau», ny sasany hoe olon’ny asa na koa hoe heverina ho haingam-pandeha tahaka ilay filoham-pirenena, izay hita fa haingam-pandeha tokoa aloha farany teo raha hitety an’i Afrika, kanefa dia izao hatreto no vokany. Gidany amin’ny resaka fandrosoana sy fampandrosoana maneran-tany aloha ilay firenena raha ny tarehimarika iraisampirenena no jerena. Mainka moa izany amin’izao mbola tsy misy tokontaniny izao akory hoe iza avy marina no hampanatontosana ilay PGE, dia hisy azo antenaina hiova tokoa ve?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT