Miara-milalao ao ihany!?

Maro ny fomba fijery sy fanehoan-kevitra ary fanazavàna


  • Alarobia 09 Jolay 2025

mampiseho ankehitriny fa anatina toe-draharaha tsy voafehiny intsony na

situation incontrôlable» amin’izao fotoana izao ny fitondràna ankehitriny. Maro ireo trangam-piarahamonina, toekarena, sosialy tsy voafehy fa tsy voafehy indrindra koa ny lafiny politika, mazava ho azy, satria ny politika moa dia tsy azo ialàna ny famaritana fototra azy hoe «fitantanana fiarahamonina na faritra na firenena, eny, izao tontolo izao mihitsy na ilay antsoina koa hoe «géopolitique».». Etsy ankilany dia iaraha-mahita ny fihetsika politika na «comportement politique» entin’ny vahoaka malagasy miatrika izany, amin’ny ankapobeny, fa ny politika ho an’ny tokantrano irery aloha hatreto no lasa fantany. Mifangaro ao avokoa na ny tahotra gagazo, hoy ny fitenenana, na ny harerahana tamin’ireo tolona tsy nitondra na inona na inona tao anatin’ny 78 taona mahery raha raisina hoe hatramin’ny taona 1947 izany io malagasy na gasy io nitolona foana ho amin’ny tena fahafahan’ity firenena ity. Nitolona ny 1972, ny 1991, ny 2002, ny 2009, ny 2018. Hatramin’izao anefa dia io iaraha-mahita io ny vokany fa isan’ireo firenena miisa 3 mahantra indrindra eto ambonin’ny tany. Sarotra inoana izany ny mbola isian’ny hetsi-bahoaka ary dia ireny naneho ny heviny ireny farany teo ny lehiben’ny mpanohitra ao amin’ny antenimieram-pirenena fa mikasa hanatontosa fanonganana anatiny na «coup d’état interne» ho an’ny tenany ihany ny filoham-pirenena ankehitriny mba hahafahany milatsaka fanintelony indray. Mipetraka eto ny fanontaniana. Loharano avy ao anaty fitondràna ihany ve izany no nahafantaran’ity depiote ity izany fikasàna izany mba tsy ilazàna hoe mifandray tsy tapaka ihany ny tenany sy ny ao anatin’izao fitondràna mijoro izao? Niteraka ady hevitra be hatrany am-boalohany rahateo ny fomba nanendrena ity depiote ity ho filohan’ny mpanohitra ao amin’ny antenimieram-pirenena ary eo no mampametra-panontaniana hoe sao dia sanatria avy amin’ilay filoham-pirenena mihitsy no nivoahan’ny loharano tahaka ireny no toa tena tsy miolaka na hoe «affirmatif» andriamatoa depiote? Asa! Mety azo raisina ho famakafakàna tsotra koa anefa ve? Na izany na tsy izany, raha ny fihetsika politika asehon’ny samy mpanao politika hatreto aloha, ny ankamaroany, dia hita fa toy ny miara-milalao ihany ity fiainam-pirenena ity ny maro saingy ankilany dia ireo valalabemandry hatrany no mijinja ny fahantrana sy harerahana tsy hita pesipesenina eto!
J.Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT