Mahalasa saina hatrany ity resaka fangaraharahan’ny fitantanana ny raharaham-pirenena sy ny volam-panjakana eto amin’ny firenena ity, indrindra moa, fa ny
mikasika ireo fanampiana ho an’izao ahamehana ara-pahasalamana izao. Ity farany izay mitohivakana sy saika isan’andro. Raha tsy maty taky tetsy sy teroa anefa dia tsy nahenoana tatitra mihitsy ny mikasika izany raha tsy in-dray 27 jolay izay ihany. Tatitra izay toa tsy hay intsony hoe natao kimaimaika fotsiny ve mba hampikombona ny vavan’ireo mpitsikera sa tena iny tokoa ilay asana matihanina momba ny zavatra toy ireny? Resaka volabe an-tapitrisa euro na dolara nefa dia zara raha nahitana karazana tarehimarika 2 sy 3 tao anatiny. Na ny resa-bola na ny resaka fitaovana toy ny antom-pisian’ireo fiara tsy mataho-dalana marobe izay tsy fantatra mazava ny tena ilana azy mihadihaody manerana ny fokontany sy ny faritany hatramin’ireo fihetsiketsehana sasany toy ny famerenana fanisam-bahoaka anatin’ny 4 andro niteraka resabe omaly. Aiza daholo tokoa ary ny tena mangarahara amin’izany rehetra izany? Voafehy tokoa ve ny aretina fa indrindra ny raharaham-pirenena eto? Hatramin’ny omaly izao dia mbola nahitana savorovoro foana amin’ity fizarana Vatsy tsinjo ity, raha tsy hilaza ankoatry ny zava-misy teny Ankorondrano teny. Izao izany no zava-misy ato anaty ahamehana dia hanao ahoana ny aorian’ny ahamehana? Sarotra rahateo ny hino fa tsy hitohy hatrany izao krizy izao. Ahiana hihamafy aza. Na ireo firenen-dehibe sy firenena rehetra heverina ho efa mandroso dia samy miomana ny fiatrehana izany aorian’ny krizy ara-pahasalamana izany avokoa. Ny antsika kosa manao ahoana ny fanomanana? Sa sady efa marefo ny vahoaka no mbola marefo koa ny fitantanana? Dia hikaro-bahaolana samy marefo eto izany! Mbola samy miandry hatrany ny fivoaran’ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana amin’ny fampivoarana ny fizarana ireo fanampiana sy ny ezaka ho amin’ny fangaraharahana moa ny rehetra ankehitriny ka ny hirariana dia ny hoe enga anie ka hisy fiovana mahery vaika be !
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.