Miara-mandinika!

Hatreto dia miara-mandinika ny tokony atao izany,


  • Alakamisy 23 Oktobra 2025

amin’ny lafiny malalaka be io, no heverina fa

fahendrena indrindra manoloana ny fisafotofotoan’ny vaovao mitranga mikasika ny raharaham-pirenena. Toy izany koa manoloana ireo fanapahan-kevitra hita ho hafahafa ihany izay niseho hatramin’izay nandraisan’ny miaramila ny fahefàna ka nanantenan’ireo nitolona hahatongavana amin’izao rivotra politika vaovao izao ka hitondràn’izany fiovàm-pitantanana izany fanovàna tena ilain’ny vahoaka tokoa. Teo moa izany ny fandravàna ireo heverina hoe andrim-panjakàna rehetra misy nefa nampametra-panontaniana ihany hoe naninona no tsy isan’ireo noravàna ny antenimieram-pirenena? Fotoana fohy taorian’izay nefa dia nambara fa tsy rava indray ireo andrim-panjakàna. Notendrena ny praiminisitra nahatonga adihevitra goavana teo anivon’ny fanaraham-baovao teto an-toerana noho ny lasany izay tena mampiahiahy fatratra izay mpanara-baovao maro izay ary gaga ireo mpahay lalàna rehefa avy nilaza ny filoham-panjakàna vaovao fa ny andininy faha 54 ao amin’ny lalàmpanorenan’ny repoblika faha 4 no narahina nahafahana nanendry izany praiminisitra izany. Ny dikany dia hoe ireo maro an’isa ao amin’ny antenimieram-pirenena izany no nanolotra ilay praiminisitra. Anaty tetezamita hanamboarana rafitra vaovao ve isika io sa sarintsarina tetezamita mbola sanatria hanamafy sy hampanan-kery ny lalàmpanorenan’ny repoblika faha 4 saingy amin’ny fomba asa kosa? Fanontaniana isan’ny mipetraka izany ary manampy azy koa ny fanahiana sao sanatria iny lalàmpanorenan’ny repoblika faha 4 iny ihany no ho mody hokitikitihana eo dia izay no ho lazaina hoe fanovàna rafitra? Etsy ankilany dia mampisafotofoto ny fiheverana maro ny fipoirana olona tampotampoka izay toa manakihana ilay fitondràna teo aloha nefa toa tazana an-tsara ho toy ny akaiky dia akaiky izany fitondràna nianjera izany ihany. Ny praiminisitra vaovao moa izany iny nosokajiana ho toa izany kanefa dia io nahazo fahefàna soamantsara ao anatin’ilay rafitra tetezamita io. Nisy iny Jeneraly nipoitra iny indray omaly, izay raha ny sary niparitaka aloha, dia toa ilay filohan’ny repoblika niongana mihitsy no akaiky azy? Iza no olon’iza? Iza no tsy olon’iza na iza? Fanontaniana mety ho tsara apetraka koa nefa ny hoe iza no niara-naka sary fotsiny ihany tao anatin’izany rehetra izany? Eto isika miara-mandinika!
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT