Voizina indray moa amin’izao fotoana izao fa ny filoham-pirenentsika dia isan’ny ireo filoham-pirenena miisa 5 aty Afrika mikaro-bahaolana indrindra hampandrosoana ny fireneny.
Tsy hidirana lalina ny amin’iny na dia mbola maro aza ireo velom-panontaniana mikasika ny loharanom-baovao manamarina izany. Ny hirariana tokoa aza dia ny hoe enga anie mba ho marina izany satria rehareha ho an’ity nosy ity raha mitombona tokoa. Ny zava-misy iainana eto amin’ny firenena hatreto aloha dia saika iaraha-mahita isan’andro ny seho tsy fahita maha menatra sy mampivarahontsana izay mbola mampitovy antsika amin’ireo firenena afrikanina an-dalam-pandrosoana hafa. Ny mampalahelo aza dia andro aman’andro ity Madagasikara mamintsika ity no zary mampiana-dratsy ireo firenen-kafa ary ireo mpitondra sy tomponandraikitra eto koa dia mampiana-dratsy antsika vahoaka hiadidiany. Miteraka resabe efa ho herinandro toy ny raharaha Antsakabary sy Remenabila tamin’ny fotoan’androny io izao ny raharaha Farafangana. Tsy nisy izay tsy mihorohoro sy manahy mikasika ny fipetraky ny zo hiaina eto Madagasikara. Na depiote miara dia amin’ny fitondrana izao aza vaky vava fa mampivarahontsana no maheno fa gadra miisa 22 no maty voatifitra. Azo lazaina ho mbola tranga maha menatra maivamaivana ny fifandimparan-jotran’ny kabarin’ny minisitry ny serasera sy ny an’ny filoham-pirenena tany am-piandohan’izao ahamehana ara-pahasalamana izao na koa ny an’ny filoham-pirenena sy ny talen’ny fiadidiana ny repoblika raha mitaha amin’ireny raharaha “Bonbon sucette” sy “ecran plat” ireny. Indrindra moa fa ny fandomana mpitandro filaminana niharo vava tsy ambina vokatry ny hamamoana nataon’ny tale jeneralin’ny serasera teo aloha. Tao anatin’ny 2 volana monja anefa no nisehoan’ireo 3 farany ireo. Efa malaza hatrany am-boalohany moa fa be mpanipy hoditra akondro ny filoham-pirenena. Tafiditra ao anatin’izany ny tsy fangaraharahan’ny fitantanana ity ahamehana ity hatramin’izao ka hatramin’ny pitsony indrindra toy ireny voambolana “arovava orona” sy ity fampiderana karaman’olona notrosaina afak’omaly ireny ary ireo voalaza tany aloha rehetra teo sy ny hafa tsy voatanisa. Dia mihevitra ve izany ireo mety ho mpanipy hoditra akondro fa ny filoham-pirenena irery no maloto ao anaty fampijabahana ataony, raha toa ka izay tokoa moa no zava-misy? Tsy ny filoha irery angamba no hitan’ny olona fa ny fitondrana iray manontolo no miara-maloto noho ireny, raha ny hita hatreto aloha.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.