Edito

Miantsy ady


  • Zoma 08 Jolay 2016

Inona no tena tian’ny fitondrana HVM hahatongavana ? Tsy fantatra intsony ! Miverina ho ambony ambany indray ny fiainam-pirenena ankehitriny.

Hiakatra ny saran-dalana ho an’ny mpitatitra eto an-drenivohitra, efa iaraha-mahalala ihany anefa ny fahasahiranan’ny olona. Etsy an-kilan’izay, ao anatin’ny vanim-potoan’ny fanadinana no mety hiakaran’io saran-dalana io. Tsy taitra aloha hatreto ny mpitondra, asa hoe mbola miandry inona ? Maizina tsy misy sombina hazana na kely akory aza ny fanadihadiana momba ny famonoan’olona teny amin’ny kianjaben’i Mahamasina ny harivan’ny 26 jona, hatrizay anefa fihetsiketsehana be tsy misy ohatr’izany ny an’ny mpitandro filaminana ary goavana ny fepetra noraisina tamin’iny fetim-pirenena iny fa hoe misy zavatra mampiahiahy. Nipoaka ihany anefa ny baomba, tsy manana olona ahiahiana na karohana hatramin’izao ny mpitandro ny filaminana fa fisavana trano maimaika no natao. Efa natao ihany io tamin’ny raharaha senatera Lylison fa tsy hita izay tohiny matotra aty aoriana. Dia mbola isisihana ihany anefa ny fampiantranoana ilay fivoriamben’ny Frankôfônia amin’ny volana novambra. Ny fahasorenana ateraky ny fanaparam-pahefana sy ny afera maizina ataon’ny olona ambony sasany amin’izany efa tsy resahana intsony. Ny olona noheverina fa raiamandreny handamina indray no manakorontana sy manao vava be. Sao dia efa mba miantsy ady mihitsy aza eeee !

RTT

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT