Edito

Miantso vonjy ny rehetra e !


  • Alakamisy 30 Aprily 2020

Tsy sanatria fitia te hanakihana sy hitsikera be fahatany, fa mahavalalanina ihany ny mandinika ny serasera ampiasain’ny fanjakana amin’izao raharaha coronavirus izao.

 

 

 Misy zavatra toa iniana hampanginina, toy ny resaka mangarahara momba ny fitantanana ara-bola. Hihazakazahana ny fandokafana ilay tambavintsika satria mety hampidi-bola be..angamba. Mbetika lazaina fa fisorohana, mbetika lazaina fa sady fisorohana no fitsaboana. Homena maimaimpoana ny firenena vahiny, mba hiparitaka any Afrika ny lazany. Zava-dehibe izany ary reharehantsika, fa etsy ankilany, dia mijanona amin’ny Tosika Fameno, izay ambara fa ho an’ireo vahoaka sahirana sa mba ho voatsinjo ny sehatra samihafa. Ny sarambabem-bahoaka izao no sahirana tanteraka ary efa naman’ny tsy misy intsony olona sokajiana ho manana fiainana antonontonony na “classe moyenne”, fa efa saika ao anatin’ny sokajy marefo sy sahirana avokoa ny ankamaroany. Ny asa aman-draharaha mba niankinana rahateo mbola ao anatin’ny fifehezana, ary marary tanteraka ny asa fandraharahana eto Madagasikara. Io iaraha-mahita io ny ambara fa tosika ho an’ny vahoaka sahirana, fa mba manao ahoana ny momba ny tosika ara-toekarena? Ny tontolon’ny asa sy fandraharahana amin’ny alalan’ny orinasa izay misy sokajin’olona tsy tambo isaina no mamelona ny fanjakana. Trongisina amin’ny haba sy ny hetra samihafa. Tonga ny fotoana mitsimbadika ny rasa, ka ilay mpamelona ny indray no mila velomina ankehitriny. Ny tohana avy amin’ny sehatra iraisam-pirenena samihafa rahateo, dia milaza fa sady hiatrehana ny krizy ara-pahasalamana ireny no ho tosika amin’ny fanarenana ara-toekarena ihany koa. Mba hisy hipitika any amin’ny maro an’isa sy ny sehatra samihafa sa hivily lalan-kafa ny vola, fa ny serasera amin’ny alalan’ireo an’aliny vitsy mahazo ilay Tosika Fameno no hatao mipoapoaka?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT