Edito

Miantso mersenera


  • Zoma 29 Jona 2012

Tsy azo ihodivirana ny fihaonan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina.

 Amin’ny herinandro ambony no hampahafantatra ny toerana sy ny andro hanatanterahana azy io ny SADC. Ny azo antoka dia hovitaina alohan’ny fihaonambe faha-19-n’ny Vondrona Afrikanina hatao any Addis Abeba ny fihaonana. Mandritra io fihaonambe any Addis Abeba io rahateo no tokony hanaovan’ny mpanelanelana tatitry ny asa nataony taty Madagasikara. Mbola misy rahateo ny sazy mihatra amin’ireo mpitondra ny FAT, nanongam-panjakana. Miisa 109 izy ireo. Miankina amin’io tatitra io no hanapahan’ny rafitra eo anivon’ny Vondrona Afrikanina hevitra na hohamafisina ny sazy na hofoanana.

Mitaintana ireo mpomba an-dRajoelina. Inona no havoakan’io fihaonana io ? Manisa andro kosa ny mpomba an-dRavalomanana, miandrandra fa dia io fihaonana io no hamaritra ny fodian’i Dada an-tanindrazana ho fampiharana ny andininy faha-20 ao amin’ny tondrozotra. Eto an-toerana dia somebiseby be ihany ny Frantsay. Miatrana any Antsiranana ny miaramilan’ny FAZOI. Tonga tampoka omaly avy any koa i Jean-Christophe Belliard ambasadaoro frantsay vaovao solon’i Jean Marc Chataigner. Ny minisitry ny atitany Rakotoarisoa Florent moa herinandro lasa izay dia tsy nihambahamba nilaza fa maninona moa raha miantso fanampiana amin’ny Frantsay amin’ny fisamborana an-dRemenabila, toy ireny miantso mersenera ireny. Inona avokoa no fiantraikan’izany amin’izao ankatoky ny fampihaonana an-dRavalomanana sy ny Rajoelina izao ? 

 
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT