Edito

Miantso fanaratsiana


  • Sabotsy 29 Jolay 2017

Mahagaga ihany raha ny eo anivon’ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao no mamerimberina matetika fa tsy fotoanan’ny fifanaratsiana intsony izao.


 Mba mijery ny antony mahatonga izay fanaratsian’ireo ankolafin-kery lazainy ho misakana ny lalany izay ny fitondrana ankehitriny ? Tsy efa nilaza avokoa ve ny sokajin’olona rehetra na mpanao politika io na mpandraharaha na olon-tsotra sy mpandinika raharaham-pirenena fa tsy mihaino ny tsikera atao aminy ary mila mianatra mihaino izany ny filoham-pirenena ? Tsy ny mpitondra ihany ve no miantso fanaratsiana ho an’ny tenany, raha ny zava-mitranga, hitan’izao tontolo izao afitsony  no resahana ? Ny fahalalahana hiteny sy maneho hevitra efa mampiady hevitra. Ankehitriny, tsy mbola nisy teto ambonin’ny tany raha tsy teto amintsika ihany izany hoe tandindomin-doza izany ihany koa ny fahalalahana hanao fety na hankalaza tsingerin-taona no marimarina kokoa. Mety hamaly indray ny solontenan’ny fitondrana hoe tsy mbola mitovy amin’ny any ireo firenena jadona no misy eto tahaka ny efa nitenenana solontenana mpitondra fanjakana iray tamin’ny taon-dasa hoe mbola tsy mitovy amin’ny any amin’ny tany hanjakan’ny asa fampihorohoroana ny eto amintsika. Handrasana ho faran’izay ratsy hatrany ve ny toe-draharaha rehetra vao handraisana fepetra ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT