Edito

Miantso baranahina


  • Sabotsy 01 Septambra 2018

Mba tsy hilazana hoe miantso fanjakan’i Baroa dia andeha atao hoe miantso baranahina tanteraka ny fihetsiky ny mpitondra sy mpanao politika eto amintsika tanteraka.

 

 

 Miharihary izao fa ny tenan’izy ireo ihany no fantatry ny ankamaroany dia mbola samy mihirahira hatrany fa vahoaka aho hoe vahoaka. Tanindrazana aho hoe tanindrazana ! Efa zary lamaody eto amintsika mihitsy ankehitriny ity tsy fahalalana henatra ity na dia misalotra palitao sy karavato isan’andro aza. Resahana fotsiny ny hoe tokony ho elatra telo ihany no firehana politika eto amintsika amin’izay mba mitovy amin’ny tany mandroso. Mibaribary anefa ankehitriny fa samy te ho lohany daholo na manam-pahendrena na bodo na adala. Ny mpanohitra ny fitondrana aza moa tsy tafapetraka eo anivon’ny antenimieram-pirenena ihany hatramin’izao ka aiza no hamaritana araka ny lalàm-panorenana hoe ranona an-kavia na an-kavanana na afovoany eo ? Tsikeraina teo fa mahamenatra ilay isana kandida ho filoham-pirenena miisa 46. Mbola mahamenatra toy izany ihany koa aza, hono, io 36 io. Ny mahamenatra anefa dia tsy menatra indray ireo nailika nijaingijaingy teny amin’ny HCC hanohitra ny fanapahan-kevitra, hono, fa tsy tokony hisy hailika. Na inona na inona fanapahan-kevitr’ireo ambaratongam-pitsarana teto izany tato ho ato dia saika notsipahana hatrany. Ekena tokoa fa mety nisy tsy nitombina ny sasany tamin’izy ireny saingy ny zava-misy dia tena hita fa zary kolontsaina mihitsy ilay tanana zatra mitsotra sy ilay manohitra fanapahan-kevitra rehefa tsy nahazoan’ny mpitaky tombontsoa. Miha goragora hatrany ny zava-misy eto ka aiza moa isika no tsy ho tompondakan’ny fivarotan-tanindrazana mialoha an’i Etiopia, araka ny nambaran’ilay manampahaizana iray izay !

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT