Edito

Miantehitra amin’ny lazon’ady !


  • Sabotsy 19 Mey 2018

Mbola mahita lalan-kivoahana ihany ve ny fanjakana Rajaonarimampianina eo anatrehan’ny toe-draharaha ankehitriny ? Amin’ny lafiny iray tena mikoropaka sy tsy mahita izay hasiana ny tongony intsony, fa amin’ny lafiny ilany anefa dia tsikaritra ho midingin-drambo hatrany.

Matoa aloha nametraka fiarovan-tena teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana dia ao raha. Tsikaritra ho miady mafy fo sy saina ihany koa anefa, ka tsy hay hoe inona marina no tena ianteheran’iny rangahy iny. Ny resaka fakana fom-bahoaka aloha toa efa sarotsarotra indrindra fa ho an’ny faritra somary renivohitra, fa ny any ambany ravin-kazo sisa no mbola misy ny mpianatra sy ny zaza madinika azo terena hivoaka hihoby ny filoha sy hitondra sorabaventy. Ny zaza tsy mahalala firy izay atsimo sy avaratra amin’ny politika sisa ampiasaina e ! Hiniana hampitarazohana ve ny valin-kafatry ny HCC, dia hitarazoka eo ny tolona. Hatao ve izany izay hahakivy ny vahoaka eo anatrehan’ny raharaha mba haharava maina ny tolona ? Tsy hay na minia manadino ny tantara na efa very fitadidiana fa ny tany aloha aza anie ka 4 volana na nihoatra aza ny faharetany e ! Ekena fa samy tsy te hampitarazoka anio ny vahoaka sy ny mpitari-tolona, saingy ny tsy azo hadinoina dia ny hoe ny efa natomboka tsy maintsy hofaranana. Velirano efa natao ny hoe ny tolona tsy maintsy tafita, saingy mba manao tsipaky ny miala aina ihany koa angamba ny an-daniny fa mody mampiseho fa mafy. Sa kosa miantehitra amin’ny lazon’ady ? Efa tongotra mby an-dakana anefa ity, ka izay iray isika drodroka, hoy ilay fomba fiteny izay. Efa nandavo hatrany ny mpitondra ankehitriny rahateo io manao tsinontsinona ny mpifanandrina, ka aleo hanao ihany eo raha te hahita ny tena daoziny e !

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT