Edito

Miantehitra amin’ny hazo boboka !


  • Alarobia 04 Aprily 2018

Nandresy ny tolon’ny fanjakana HVM tamin’ny fampandaniana ny lalàna mifehy ny fifidianana, izay tsy ankasitrahan’ny maro. Mihevitra izany izao fa mahery sy matanjaka na ara-politika na ara-bola.


 Azo atao hoe nivoaka nandresy tao anatin’ny sarotra ve ny fitondrana ? Na koa azo adika ho fandresena ve ireny zava-nisy ireny ? Na inona na inona aloha, dia mitsanga-menatra hatrany ity fitondrana mpanao amboletra tsy mihevitra izay mety hiafarany ity. Toa efa manomana ny lavaka hilevenana satria na inona na inona aloha paikady maloto hampiasaina eo, dia efa tena mahatofoka ny maro ny afitsok’ity fitondrana ity. Iza no fanjakana tsy nanam-bola sy nirehareha tamin’ny fananana ny tafika teto saingy nirodona sy potika tao anatin’ny fotoana monja ihany. Fomban’ny malemy ny mialokaloka ao anaty lalàna namboamboarina hoenti-manamafy ny seza sy ny fampiasana ny mpitandro ny filaminana ho herim-pamoretana. Toa miantehitra amin’ny hazo boboka ihany raha ny politika efa tsy nitondra soa ho an’ny firenena tahaka izany no ianteherana. Tsy ho fitiavam-bahoaka mihitsy no ho setrin’ny famotehana firenena nataon’ity fitondrana ity, saingy mihevitra ny hampiasa ny herin’ny vola sy ny herim-pamoretana. Raha tena fanjakana nahavita ny adidiny tokoa, tsy hiantehatra amina kajy politika maloto hibabena henatra. Tsy mangeja ny fahalalahan’ny olom-pirenena na kandida io na vahoaka mifidy, fa havela hilatsaka izay te hilatsaka, tsy verezin-jo ny mpifanandrina. Raha tena mafy sy mahery tokoa dia ny ady amin’ny fahantrana sy ny olam-bahoaka no laharam-pahamehana, fa tsy ny ady amin’ny fiarovan-tseza efa hita fa tsy hahomby sy mety ho afobe handoro ny tena atsy ho atsy e !

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT