Edito

Miantehitra amin’ny hazo boboka !


  • Zoma 12 Mey 2017

Ekena fa tsy ny mpitondra fanjakana isan-tsokajiny no handrotsa-bary any am-bilanin’ny tsirairay, saingy mba tokony ho hita ihany ny fandraisan’andraikitra na tsy mivantana aza kanefa tsy izay no miseho, fa dia ny ho any am-paosy ihany, ho any am-paosy hatrany no masaka an-tsain’ny mpitondra sy ny mpanao politika.

 

 Samy mahay miresaka daholo fa ny vahoaka aloha vao kapaoka! Samy mahay mikabary fa ny fampandrosoana an’I Madagasikara sy ny fitsinjovana ny vahoaka Malagasy izay mangetaheta fandrosoana no vaindohan-draharaha. Tsy nisy tsy niteny an’izany saingy maro ny nampanantena fa vitsy aloha no nahatanteraka, mba tsy hilazana fa tsy nisy. Miantehatra amin’ny hazo bobaka ny Malagasy fa izay mandeha raha tsy malaza amin’ny fanondranana boaderozy dia tompon-dakan’ny fanodikondinonana volam-panjakana sy ny maro hafa. Ny fampandriana andrisa manginy fotsiny, ka ato ho ato indray dia hiverina ny fampanantenana paradisa. Efa voazanaka ara-tsaina sy ara-panahy tokoa angamba ny Malagasy, ary mety voahozona hanana mpitondra tia tena sy mpandroba firenena, ka miaka-peo am-boalohany fotsiny fa manaiky ny tsy maty manota sy ny fanitsakitsahana hatrany an-tampondoha ihany rehefa mandeha ny ora sy ny fotoana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT