Edito

Miantehitra amin’iza ?


  • Zoma 30 Septambra 2011

Efa nanatsidi-dresaka tamin’ity herinandro ity ny filohan’ny CENI fa mety tsy ho tratra intsony izany fifidianana amin’ity taona ity izany, mbola betsaka mantsy ny fanomanana tsy maintsy hatao.

 Ny vanim-potoan’ny orana anefa efa higadona afaka iray volana. Hatramin’izao koa tsy fantatra ny fifidianana hatao mialoha. Ilaina betsaka amin’ny fanomanana ara-teknika anefa ny fahafantarana azy io, satria tena samihafa mihitsy ny fomba fiasa amin’ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka ohatra, ny fifidianana Ben’ny tanàna. Efa tena sarotra ny raharaha na dia mamoaka daty sy milaza mazava ny fifidianana hotanterahana aza ny fitondrana tetezamita. Hita fa efa tena niezaka sy niasa mafy ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana satria natao ny fanamboarana ny lisi-pifidianana, notetezina i Madagasikara, natao ny fifampiraharahana tamin’ireo mpanohana ara-bola sy ara-teknika, ary ireo mpikambana sasany tao amin’ny CENI aza dia efa nanara-maso fifidianana tany Afrika. Mbola maro ny lesoka hita, ary tena mbola ambany dia ambany ny tahan’ny olona nanamarina ny anarany ao amin’ny lisi-pifidianana eny amin’ny Fokontany ary ireo efa nijery dia nanamarika fa mbola be diso ihany io lisitra io. Nisy mihitsy aza moa no nilaza fa tsy nisy fanisam-bahoaka vaovao natao izany fa dia ilay lisi-pifidianana tamin’ny fitsapan-kevi-bahoaka tamin’ny novambra 2010 ihany no mody namboarina. Fehiny dia mbola lavitr’ezaka ny asa amin’ny fikarakarana fifidianana eto Madagasikara.

Ny tena marina koa dia miankina betsaka amin’ny mety ho firafitr’ilay tetezamita iaraha-mitantana araka ny ambaran’ny sori-dalana no tohin’ny raharaha satria azo antoka, raha ny fahitana ny fanehoan-kevitry ny ankamaroan’ireo vondrona politika fa horavana tanteraka ny CENI, dia hisy ny olom-baovao apetraka eo, dia izay vao tena hiroso lalindalina kokoa amin’izay ny asa. Na ahoana na ahoana anefa dia tsy maintsy fifidianana no hamaranana ny krizy, koa dia miandrandra ny fahatsiarovan-tenan’ireo mpanao politika ny vahoaka izay efa tena trotraky ny adim-piainana. Mety hanahirana ihany mantsy ny zavatra hitranga eto raha toa ka mifarana ny taona kanefa tsy mazava izay hatao, ny hanaovana azy, ny ho enti-manana ary ireo mandray anjara amin’ny asa. Efa maro ihany ny kabary re teto, ary efa manomboka mankaleo ilay izy, hoy ny raim-pianakaviana iray raha nanontaniana ny heviny momba ny raharaham-pirenena izy. Tsy izy irery no manana fomba fijery tahaka izany fa efa olona maro be, leon’ny sangodim-panina ny olona ary manomboka tsy miraika intsony amin’ny resaka politika.

Tsy nahavita azy araka ny nilokalokany teny Ambohijatovo sy teny amin’ny kianjan’ny 13 mey i Andry Rajoelina fa dia tena nitondra ny firenena any an-davaka, no sady mbola be hambo ho mahavita azy ihany. Mipetraka eto ny fanontaniana : iza no tena ianteheran’ny filohan’ny FAT ? Ny vahoaka malagasy ambarany fa ao an-damosiny ve sa ny mpandraharaha mpanefoefo karana mpamatsy vola azy ? Ireto farany izay tsy mieritreritra afa tsy ny hahazo tombony hatrany hatrany. Sa ny Frantsay izay tratran’ny olana ara-bola tahaka ny ankamaroan’ny firenena ao anatin’ny Vondrona Eoropeanina ? Tsy vitan’ny kabary sy fanomezan-toky fa mitaky asa ny fitantanana firenena, ary tsy ampy hamahana krizy ny vola, diso matoky tena ny fahitana ny filohan’ny FAT, satria angamba misy manome toky any ambadimbadika any, na misy mandrahona ka tsy maintsy miroso, fa raha izao lalana itondrany samirery ny firenena izao aloha dia mitondra any an-kady e !

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT