Edito

Miandry vory vahoaka


  • Zoma 01 Septambra 2017

Tsy dia re feo indray aloha ny filoham-pirenena tato anatin’ny andro vitsivitsy, indrindra fa taorian’ny nanoloana ny mpikamban’ny governemanta.


 Miandry ny akony sa kosa mbola mieritreritra izay kajikajy vaovao hatao ? Ny raharaham-pirenena sy raharaham-piarahamonina etsy an-daniny mihodina ihany, saingy miharatsy andro aman’alina toy ny asan-jiolahy, loza mahatsiravina, faty olona, fahantrana. Tsy taitra sy tsy rototra anefa ny mpitondra fa any amin’izay misy tombontsoany ihany no mahamaika azy. Antomotra ny fifidianana, ka ireny hetsika hahavoriana olona betsaka ireny, toy ny ara-pivavahana no mahamaika sy maharototra azy ireo. Rehefa mahazo fitenenana, dia manovokovoka sy mamatrapatratra ery amin’ny fizahozahoana sy ny filazana fa mitsinjo ny Malagasy sy mbola hitsinjo, ary mampanantena fiadanana sy fiainana lavorary hatrany. Ny fanambatambazana ny miaramila moa efa tsy resahina intsony. Ireny mantsy no hery ianteherana sisa. Tsy mora ny mitondra firenena, ary mora ny miresaka sy manakiana saingy ny loza dia fanjakana tsy mahay mihaino, tsy mety atoro ary vao mainka mandranitra vahoaka no misy eto. Fady amin’ny fanjakana HVM izany hiaiky ny hadisoany izany, na koa hanafay ny olony efa hita fa manao ny tsy mety. Manao volongita mifandray tendro, ka mifampiharo amin’ny ratsy no anton-draharaha.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT