Edito

Miandry vokatra indray


  • Alarobia 17 Janoary 2024

Tontosa avokoa izay ny karazana fifamindram-pahefana rehetra teo amin’ireo minisitera

nilana ny fanaovana izany. Samy niezaka nifandokandoka teo ireo nandao toerana sy mpandimby toerana. Samy naneho fifampitsofan-drano ihany koa! Tao ireo niezaka naneho an-kabary fa tena havanana tokoa tamin’ny toerana nanendrena azy avy. Tena tekinisianina fa tsy lainga akory ireo diplaoma nipoapoaka marobe notanisaina tamin’ny fampahafantarana ireo minisitra tsirairay. Nisy koa tao ny vao vantany vao vita mihitsy izay fifamindram-pahefana izay dia hoe nisantatra fidinana ifotony izany satria anaty 100 andro monja dia efa misy tanjona natao ho tratrarina. Niaraha-nahita izay 5 taona izay. Fivarinan’ny firenena no mamintina azy ary heverina fa tsy ilaina loatra intsony angamba ny manao litania ireo tombana rehetra mifandraika amin’izany mba maha menatra ihany amin’ny maha olompirenena, indrindra moa fa hoe olompirenena tia tanindrazana. Miandry vokatra indray izany aloha. Miandry fahagagana angamba no marimarina kokoa.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT