Edito

Miandry vokatra


  • Alakamisy 20 Oktobra 2022

Mitohy hatrany ny fanehoana an-tsary ny dia sy ny hetsika ataon’ny mpitondra antsika ankehitriny. Io angamba efa azo sokajiana ho isan’ny tarazo tsy ho afaka intsony amin’ity fitondrana ity.

Tato anatin’izao 4 taona izao rahateo no tena nampalaza ilay hoe “Ny werawera tsy maintsy mandeha!”. Ny fanontaniana mipetraka hatrany dia ny hoe “werawera” tena mivady amina asa mivaingana ve izy ireny ary tena hitondra any amin’ilay fisandratan’ny firenena marina araka ny efa nampanantenaina tany amin’ny fampielezan-kevitra sa sanatria hanohy tranga sy zava-mamoha henatra na “scandale” hafa indray? Miandry vokatra ny olompirenena sy mpanara-baovao. Azo inoana fa samy miandrandra vokatra tsara ho an’ity firenena ity raha mbola azo sokajiana anatin’ny voambolana hoe “tia tanindrazana” ihany koa. Isika rehetra dia samy tia tanindrazana, hoy ilay teny filamatra izay, saingy raha ampy nampandrosoana firenena ny fitiavan-tanindrazana fotsiny dia efa nandroso daholo ny firenena rehetra eto ambonin’ny tany. Tsy ho isan’ny rambony toy izao ny firenentsika. Mila finiavana, tekinika, fahaizana, traikefa, paikady marolafy, indrindra, fifehezan-tena, raha fintinina ny efa voambara sy voatatitra teto hatramin’izay, ary dia ireny voaporofo ankehitriny moa fa samy tsy misy voafehy eto na ny lafiny sosialy na toekarena na diplaomasia. Miandry fomba famindra sy fiaikena ny tsy fahombiazana hita hatreto toy ny efa nandrasana toy ny efa nandrandraina hatramin’izay ihany moa izany, fa indrindra, mbola miandry vokatra hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT