Edito

Miandry vasoka eo


  • Zoma 13 Novambra 2015

Na dia hisy aza ny fanaovan-tsonia hatao any Bruxelles ato ho ato momba ny fanohizana ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy ny vondrona eoropeanina dia hita ho sarotsarotra ihany ny raharaha.

 


 Ratsy toerana i Madagasikara, ny tsy fahaiza-mitantana, ny tsy fisian’ny fitoniana ara-politika niampy ny firoborobon’ny kolikoly sy ny gaboraraka no nampahantra ny firenena tahaka izao ary mahatonga ny mpiara-miasa tsy hahatoky antsika mihitsy. Fanampiana tsy averina fa omena fotsiny ny vola avy ao amin’ny FED an-dry zareo eoropeanina, vola izay avy amin’ny hetra aloan’ny eoropeanina natokana hanampiana ireo firenena sahirana. Rariny sy hitsiny raha mametraka fepetra hentitra ry zareo fa tsy hanome tsotsotra izao ny volany. An-kilan’izay dia mbola be vava namaly ny fanamarihana nataon’ny mpamatsy vola ihany ny praiminisitra omaly, na dia efa hita mibaribary be izao aza ny zavatra tsy mety sy tsy mandeha eto, tahaka ny milaza fa tsy vonona ny hivoatra sy hanao zavatra manara-dalàna mihitsy ny mpitantana eto Madagasikara fa dia izay metimety amin’izy ireo ihany no ataony. Tsaratsara ho an’ny mpitondra ny mikaroka loharanom-bola hafa fa raha famatsiam-bola avy any ivelany amin’ireo mpiara-miasa mahazatra aloha no andrasana dia ho tapitra ihany ny fotoam-piasan’ingahy filoha fa dia tsy hisy zava-bita eto e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT