Edito

Miandry vasoka


  • Alatsinainy 05 Septambra 2011

Dia miandry indray izay mety havoak’ity herinandro vaovao ity ny Malagasy. Misy ny milaza fa ho avy eto, hono, ny iraka manokana avy amin’ny Troika, izany hoe ny SADC, hanohy ny fanelanelanana amin’ny famahana ny krizy

 Midika ve izany fa tapitra hatreo indray aloha ny asan-dry Chissano sy Simao ary Salomao ? Mety hanova zavatra ve ny fitarihan’ny filoha Afrikanina Tatsimo Jacob Zuma ny Troika ? Raha milaza ny hanatanteraka fivoriana hafa indray ireto iraka ireto dia hanaiky izany ve ny FAT sa hiroso avy hatrany amin’ny fanasoniavana ilay sori-dalana ? Maro be ireo fanontaniana manitikitika ny mpanara-baovao satria miankina amin’ny valin’ireny fanontaniana ireny ny ho tohin’ny fiainam-pirenena. Raha manaiky ny fandaminana ny mpitondra sy ny mpanao politika dia tsy tokony ho ela intsony ny famahana ny krizy, saingy raha mbola mahazo laka ny fifampihantsiana sy fifanandrinana dia ho taraiky eto isika mianakavy, fa ho tonga ihany ny 2012 fa tsy mbola misy fifidianana ho vita izany eto.

Dia ho tanteraka ve izany ny faminanian’ny Pastera Mailhol milaza fa hatolotra azy ny fitondrana amin’ny 2013 ? Maro no niandry fanapahan-kevitra sy fanambarana goavana tamin’ny filohan’ny FAT saingy, niandry vasoka fa ny teo ihany no niverina. Milaza fa hanao an’izatsy na izaroa, kanefa tsy misy zavatra tena matotra voaomana fa mba miandry tahaka ny rehetra ihany koa. Olana ho an’izao fitondrana tetezamita izao, araka ny fahitan’ny maro azy ny fihazohazoana tamin’ny fanapahan-kevitra, dia ilay politikan’ny mandroso mihemotra. Nanaiky nivory tany Maputo sy nanao sonia kanefa manda ny fampiharana ilay fifanarahana. Nilaza avy eo fa tsy handany andro hivory intsony, indrindra fa raha miaraka amin’ireo filoha nirodana teo aloha, mbola nandeha tany Pretoria, Gaborone sy Windhoek ihany anefa, aty aoriana anefa tsipahana indray ny fanapahan-kevitr’ireo filoham-pirenen’ny SADC nivory tao Sandton.

Nilokaloka indray fa tsy maintsy mahavita fifidianana roa amin’ity taona ity, solombavambahoaka sy filoham-pirenena no resaka tamin’izay, volana vitsivitsy taorian’io dia lazaina fa Ben’ny tanàna indray no hofidiana mialoha. Nabosesika nolaniana teny amin’ny Parlemanta ny lalàna mifandraika amin’izany. Izao anefa toa tsy misy resaka fifidianana izany intsony, ary na i Andry Rajoelina aza miolakolaka be ihany rehefa nanontanian’ny mpanao gazety hoe : misy fifidianana ihany ve amin’ity taona ity ? Dia miandry vasoka eto izany e ! Fampanantenana no betsaka fa ny fanatanterahana azy tsy misy. Tena mahagaga mihitsy fa tsy mety miaiky ny FAT fa diso lalana izy ary hampidi-kizo ny firenena raha manohy iny lalana iny. Fa tena sarotra be mihitsy ve ilay hoe manetri-tena sy miaky ny tsy mety natao dia mihavana amin’ny hafa ary miara- mikaon-doha amin’izay hikaroka izay mahasoa ny firenena ? Tsy azo hiadian-hevitra intsony aloha hatreto fa mbola hitady olon-kafa atao ho filohan’ny tetezamita, saingy mitaky andrakitra lehibe ho an’Atoa Andry Rajoelina ny fihazonany io toerana io. Koa raha izy mitarika indray no mamalan-kira, sanatria, dia izay no izy fa na firy na firy taona tsy hivaha mihitsy ity krizy ity. Dia miandry vasoka eto izany. Efa mampalaza ratsy antsika rahateo ny hoe fotoan-gasy : tara lava ary tsy mba mifanaja sy mifampitsinjo mihitsy !

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT