Miandry vaovao ofisialy mampiaky vahiny eto!

Asa na izao malagasy eto Madagasikara


  • Alatsinainy 21 Jolay 2025

ankehitriny izao no tonga amin’ilay tononkira hoe

Bibilava sinambotr’ankizy ka tsy tanana andrangotra, tsy tongotra hitsipaka!» na koa hoe toy ny valala voatango fa dia io aloha izany no zava-misy. Na ny tambazotran-tserasera, izay heverina any amin’ireo tany demokratika fa sehatra voalohany natao hanjakàn’izany demokrasia izany aza, dia io iarahan’ny rehetra mahita io fa tena tery dia tery ny fahafaha-maneho hevitra ao eto amin’ity firenena ity. Hatramin’ny samy olompirenena ihany no mifampitandrina hoe «tandremo sao gagazo!». Raha aty amin’ny tontolon’ny fanaovan-gazety moa ilay izy, fony mbola tamin’ny andron’ny fanjanahantany, dia nisy ny nantsoina hoe «sivana» na «censure». Niara-dalana tamin’izay, indrindra, taty aoriandriana kely, dia lasa ireo heverina fa tokony hahatsapa ny fahalalahany amin’ny fahafaha-mampita sy mizara ny vaovao mitranga ao amin’ny firenena iray mihitsy, vokatr’ilay teritery isan-karazany manjaka loatra, no lasa manao sivana ho an’ny tenany na ilay antsoina hoe «autocensure». Amin’izao fotoana izao izany, raha ny zava-misy no jerena, mahita izany ireo mpanao gazety vahiny mirahavavy izay manao fanadihadiana momba ity resaka fahampoizinana ara-tsakafo sy fanampoizinana ara-tsakafo ity amin’izao fotoana izao, fa tena sahirana ny mpanao gazety malagasy mitady vaovao eny anivon’ireo minisitera sy tomponandraiki-panjakàna samihafa eto amin’ity firenena ity fa dia asaina lava miandry izao vaovao ofisialy tsy azo hadihadiana lalina izao foana. Tsy vitan’izay fa maro amin’ireo mpikaro-baovao no lasa voatery manao io «autocensure» voalaza teo io ary mainka moa fa ireo mpanara-baovao sy mpikirakira tambazotran-tserasera voalaza teo ihany koa dia zary lasa voatery saina hanao izay «autocensure» na sivana ho an’ny tenany izay ihany koa. Maherin’ny 30 isa no maty vokatr’ilay resaka fanampoizinana teny Ambohimalaza fa tsy misy mihitsy hatramin’izao ny mangarahara momba ny raharaha. Tsotra kely anefa ny fanontaniana, efa ho tato anatin’ny 1 volana mahery izao. Fantatra izany fa fanapoizinana no nitranga, mbola tsy vita foana ve ny fanadihadiana no mbola tsy ampahafantarina ny vahoaka manana zo hisitraka vaovao hoe iza na iza avy ireo nahavanon-doza? Efa fantatra fa singa mahery vaika ilay poizina ka na tsy ho lazaina aza hoe inona ilay izy satria, hono, mampiana-dratsy, maninona ary no tsy mety mahazo ny fitsaboana sahaza azy ireo sisa marary? Maninona no mbola tsy nisy sitrana ihany fa mbola vao mainka aza nisy maty indray? Angaha tsy nampiasaina ny fanafana na «antidote» mamono ilay poizina? Miandry ny rariny eto hatrany izany no azo atao! Miandry vaovao ofisialy mampiaiky vahiny eto!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT